Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Simona

Simona

(Simôna).

1. Lehilahy niteraka efa-dahy, anisan’ny fokon’i Joda.​—1Ta 4:20.

[2-10: avy amin’ny fototeny heb. midika hoe “mandre, mihaino”].

2. Simona Iskariota, rain’ilay Jodasy namadika an’i Jesosy.​—Jn 6:71; 13:2, 26.

3. Anarana hafa niantsoana ny apostoly Petera.​—Mr 3:16; jereo PETERA.

4. Apostolin’i Jesosy Kristy. Nantsoina hoe “Simona Kananeanina” izy mba hanavahana azy tamin’i Simona Petera. (Mt 10:4; Mr 3:18) Natao hoe “ilay mafana fo” izy, angamba satria anisan’ilay antokona Jiosy nahery fihetsika nanohitra ny Romanina izy taloha. Mety ho noho izy nafana fo tamin’ny fivavahana koa anefa no tena antony niantsoana azy toy izany.​—Lk 6:15; As 1:13.

5. Rahalahin’i Jesosy saingy hafa ray. (Mt 13:55; Mr 6:3) Mbola tsy nino an’i Jesosy io zandriny io talohan’ny Fetin’ny Tranolay tamin’ny taona 32 (Jn 7:2-8), fa mety hoe tatỳ aoriana vao lasa mpianany. Anisan’ireo mpianatra 120 teo ho eo nivory tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33 ireo rahalahin’i Jesosy, ka mety ho teo i Simona na dia tsy voatonona aza ny anarany.​—As 1:14, 15.

6. Fariseo iray nanasa an’i Jesosy mba hiara-misakafo taminy tany an-tranony. Tonga tao ny vehivavy iray mpanota, izay tena tsara fanahy sy nanaja fatratra an’i Jesosy ka nanisy menaka manitra tamin’ny tongony.​—Lk 7:36-50.

7. Lehilahy iray nipetraka tany Betania, ary nantsoina hoe “Simona boka” (angamba anisan’ireo nositranin’i Jesosy). Nisakafo tao aminy i Kristy sy ny mpianany, ary koa i Lazarosy efa nitsangana tamin’ny maty, mbamin’i Maria sy Marta anabaviny. Nanosotra menaka manitra lafo vidy tamin’i Jesosy i Maria tamin’izay.​—Mt 26:6-13; Mr 14:3-9; Jn 12:2-8.

8. Lehilahy iray teratany avy any Kyrena, ary rain’i Aleksandra sy Rofosy. Avy tany ambanivohitra izy, ary noterena hanao fanompoana ka nasaina nibata ny hazo fijalian’i Jesosy. Sendra nandalo mantsy izy tamin’izay.​—Mt 27:32; Mr 15:21; Lk 23:26; jereo KYRENA.

9. Mpanao mazia tao Samaria. Nampiasa herin’ny maizina i Simona, ka nitolagaga ny vahoaka tao ary nilaza hoe: “Io lehilahy io no Herin’Andriamanitra, dia hery azo antsoina hoe Lehibe.” Lasa ‘mpino’ anefa izy ka natao batisa, vokatry ny fitoriana nataon’i Filipo. Nisy olona maro koa lasa mpino, tatỳ aoriana. Nahazo fanahy masina izy ireny rehefa nametra-tanana taminy i Petera sy Jaona. Te hanao toa azy roa lahy koa i Simona, saingy tsy tsara ny toe-tsainy. Notolorany vola izy roa lahy mba homen’izy ireo fahefana izy, ka hahazo fanahy masina koa izay hametrahany tanana. Niteny mafy azy i Petera hoe tsy mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra ny fony, ary nampirisika azy hibebaka sy hangataka famelan-keloka izy. Hoy àry i Simona: “Ianareo no aoka hitalaho amin’i Jehovah ho ahy.”​—As 8:9-24.

10. Mpanao hoditra tany Jopa. Teo amoron-dranomasina ny tranon’i Simona, ary nivahiny tao aminy andro vitsivitsy ny apostoly Petera, tamin’ny taona 36.​—As 9:43; 10:6, 17, 32.