Simrona
(Simrôna).
1. [Voaroy]. Zanakalahin’i Isakara. (Ge 46:13; 1Ta 7:1) Anisan’ny “zanak’i Israely ... tonga tany Ejipta” izy. Taranany ny Simronita, izay anisan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Isakara.—Ge 46:8; No 26:23, 24.
2. [Avy amin’ny fototeny midika hoe “miambina”]. Tanàna iray, ary ny mpanjakany dia nivondrona niaraka tamin’ireo Kananita tany avaratra, izay resin’i Josoa teo amoron’ny ranon’i Meroma. (Js 11:1, 5, 8; 12:20; jereo SIMRONA-MERONA.) Anisan’ny anjara lovan’i Zebolona i Simrona. (Js 19:10, 15) Misy milaza azy io ho i Kirbet Sammoniyeh (Tel Shimron) tokotokony ho 8 km any andrefan’i Nazareta.