Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Simrona-merona

Simrona-merona

(Simrôna-meròna).

Tanàna nofehezin’ny mpanjaka iray resin’i Josoa. (Js 12:7, 8, 20) Mety ho anarana fenon’ny tanànan’i Simrona ny hoe Simrona-merona, na koa natao hilazana fa anisan’ireo resy teo amoron’ny ranon’i Meroma ny mpanjakan’i Simrona. (Js 11:1, 5, 7, 8) Misy sora-tanana manasaraka an’io anarana io ho anaran-tanàna roa hoe Simrona sy Merona. Tsy misy anaran-toerana hoe Merona anefa.