Simry
(Simri̇̀) [avy amin’ny fototeny midika hoe “miambina”].
1. Simeonita razamben’ny iray tamin’ireo mpiadidy nanitatra ny faritanin’ny fokon’i Simeona, tamin’ny andron’i Hezekia.—1Ta 4:24, 37-41.
2. Rain’i Jediaela, ilay lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. Mety ho i Simry koa no rain’i “Joha Tizita” rahalahin’i Jediaela.—1Ta 11:26, 45.
3. Merarita iray zanakalahin’i Hosa. Anisan’ireo Levita mpiandry vavahady i Simry, ary voafidy tamin’ny antsapaka mba hiambina ny vavahady tany andrefan’ny toerana masina. Tsy lahimatoan’i Hosa izy, nefa notendren’ny rainy mba ho lohan’ny fianakaviambe.—1Ta 26:10, 12, 13, 16.
4. Anisan’ireo Levita nanampy tamin’ny fanadiovana ny tempoly, tamin’ny andron’i Hezekia. Taranak’i Elizafana i Simry.—2Ta 29:12-16.