Simsay
(Simsày) [avy amin’ny fototeny midika hoe “masoandro”].
Mpanoratra niara-niasa tamin’i Rehoma, izay lehiben’ny tompon’andraiki-panjakan’ny faritany persianina ‘tany ampitan’ny Renirano’ (tao anatin’io faritany io i Jerosalema). Nanoratra ho an’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa izy sy ny hafa, mba hisakanana ny Jiosy tsy hanorina indray an’i Jerosalema. Nasain’i Artaksersesy najanona àry ilay asa, nefa nitohy indray tamin’ny andron’i Dariosy Hystaspe (Dariosy I), mpanjakan’i Persa nandimby azy.—Ezr 4:8-24.