Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sinara

Sinara

(Sinàra).

Ilay faritra anelanelan’ny reniranon’i Tigra sy Eofrata, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe Babylonia. Tany i Nimroda no lasa mpanjakan’i Babela, Ereka, Akada, ary Kalne. Tany koa no naorina ilay tempolin’i Babela izay tsy vita hatramin’ny farany. (Ge 10:9, 10; 11:2-8) Anisan’ireo mpanjaka niray dina izay naka babo an’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama, i Amrafela, mpanjakan’i Sinara. (Ge 14:1, 9, 12) Mbola Sinara ihany no niantsoana an’ilay faritra tamin’ny andron’i Josoa. (Js 7:21) Miresaka momba azy io koa i Isaia sy Daniela ary Zakaria mpaminany.​—Is 11:11; Da 1:2; Za 5:11; jereo BABELA; BABYLONA No. 2.