Sinima
(Sinìma).
Tany iray noresahin’ny faminaniana. Voalaza fa rehefa hody an-tanindrazana indray ny Israelita, dia misy amin’izy ireo avy any Sinima. (Is 49:12) Mety ho tany atsimo na atsinanan’ny tanin’ny Israely no nisy azy io, matoa ilay andininy manonona ny avaratra sy andrefana. Tsy “Sinima” no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa hoe “tanin’ny Persianina.” Mety ho tafiditra tamin’izany i Elama, izay antsoina hoe Si-nim amin’ny teny akadianina tranainy. (Ampit. Is 11:11.) Tany “any atsimo” kosa no ao amin’ireo Targoma sy ny Vulgate latinina. Misy manam-pahaizana milaza an’i Sinima ho i Syena (Ezk 30:6) any amin’ny farany atsimon’i Ejipta. Tsy fantatra anefa ny tena toerana nisy azy io.