Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Siny

Siny

Isan-karazany ny habe sy ny bikan’ny siny fahiny. Tao ny vita tamin’ny hoditra, ary tao ny nisy sarony sady teritery ny tendany. Vazy be haingonkaingony ny sinin’ny Ejipsianina, ka nisy vita tamin’ny vatosanga, taolana, halimo, fitaratra, volamena, ivoara, bakoly, volafotsy, na vato. Fitaratra kosa ny siny asyrianina. Fahita ny siny tanimanga tany Palestina sy tany an-tany hafa fahiny. Ny siny hoditra anefa no tena be mpitia.​—Jereo KOJAKOJA SAMIHAFA.