Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Siny Hoditra

Siny Hoditra

Fitaovana fitehirizana rano, menaka, ronono, divay, dibera, ary fromazy. Toy izao no fanaovana siny hoditra: Novonoina ny biby iray, notapahina ny lohany sy tongony, ary nosintonina moramora hiala tamin’ny hodiny ny vatany mba tsy ho voatery hotatahana ny kibony. Nohamainina avy eo ilay hoditra ary nozairina ireo lavaka, afa-tsy ny teo amin’ny tendany na ny iray tamin’ny tongony mba hatao vavan’ilay siny, izay nasiana sarony na nofatorana. Hoditra ondry na osy, ary indraindray hoditr’omby no natao toy izany. Mety ho tsy nesorina ny volony, raha natao fasiana ronono, dibera, fromazy, na rano ilay izy. Nila fikarakarakana kokoa anefa ilay hoditra, raha natao fitoerana menaka na divay. Hoatran’ny tamin’ny taloha ihany ny fanamboarana ny ankamaroan’ny siny hoditra any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Misy fofona ny rano tehirizina ao anatiny, raha tsy maina na tsy voakarakara tsara ny hoditra.

Nomen’i Abrahama “siny hoditra [heb.: hemet]” i Hagara rehefa noroahiny. (Ge 21:14, 15, 19) Hoy ny Gibeonita tamin’i Josoa: “Vaovao ireto siny hoditra [heb.: nôʼdôht] fasiana divay ireto tamin’izy nofenoinay, nefa jereo ireto izy fa efa triatra.” (Js 9:13) Nety ho triatra tokoa ny siny satria nihanibontsina rehefa niotrika tsikelikely ny divay tao anatiny ka namoaka gazy karbonika. Hoy i Eliho: “Ny ato an-kiboko dia toy ny divay mandroadroatra, tsy misy lalan-kivoahana, ary toy ny siny hoditra [heb.: ʼôvôht] vaovao mitady ho triatra.” (Jb 32:19) Tsy simba anefa matetika ny siny hoditra vaovao, na dia nibontsina aza noho ilay divay niotrika tsikelikely tao anatiny. Ny siny tonta kosa no mety hitriatra, satria efa lasa mafy sy henjana. Marina àry ny tenin’i Jesosy Kristy hoe: “Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra [gr.: askôs] efa tonta. Raha izany mantsy, dia ho vaky ilay siny hoditra ka ho raraka ny divay ary ho simba ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao, ka tsy simba na ny siny na ny divay.” (Mt 9:17; Mr 2:22; Lk 5:37, 38) Io fanoharana io no nentin’i Jesosy hanazavana ny antony tsy nanarahan’ny mpianany ny fombafomba rehetra fanaon’ny Fariseo hatry ny ela. Mandrisika sy mampahery be mantsy ny fahamarinana inoan’ny Kristianina, ka tsy hahasakana ny fielezany ny Fivavahana Jiosy efa tranainy, izay hentitra be sy tsy mba narisidrisika ary nadiva hanjavona.​—Mt 9:16.

Hoy i Davida tamin’izy nenjehin’ny fahavalony: “Ataovy ao anaty sininao ny ranomasoko.” (Sl 56:8, f.a.p.) Niangavy an’ilay Andriamanitra natokisany àry izy mba hahatsiaro ny ranomasony, izay toy ny hoe atao ao anaty siny hoditra.

Mety ho nahantona tamin’ny toerana azon-tsetroka ny siny feno divay, mba tsy ho lanin’ny bibikely na mba hahazoana haingana ny karazana divay tadiavina. Ny siny hoditra tsy niasa kosa nahantona tao amin’ny efitra nisy afo nefa tsy nisy fivoahan-tsetroka, ka maintin’ny molaly sy nihahenjana ary nifintina vetivety. Mety ho izany no nilazan’ny mpanao salamo fa ‘nanjary toy ny siny hoditra azon’ny setroka izy’ rehefa niharam-pitsapana.​—Sl 119:83; jereo KOJAKOJA SAMIHAFA; MPANEFY TANIMANGA.