Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sira

Sira

Zavatra toy ny kristaly fotsifotsy atao hoe klaoriorana sodioma (NaCl). Be dia be ny siravato any ambanin’ny tany, ary misy mahatratra an-jatony metatra ny hateviny. Any anaty ranomasina kosa ny 3,5 isan-jaton’ny sira, ka klaoriorana sodioma ny ankamaroany. Toa kely izany, nefa sira efa ho 27 tapitrisa taonina no azo avy amin’ny ranomasina iray kilaometatra toratelo monja. Tokotokony ho avo sivy heny noho izany ny sira ao amin’ny Ranomasina Maty (Ranomasin-tsira) any Palestina. (Ge 14:3) Mora tamin’ny Israelita ny nahita sira. Be dia be (saingy tsy dia tsara) ny sira tavela rehefa lasa etona ny ranon’ny Ranomasina Maty. Nisy havoana be sira koa teny akaikin’ny tendrony atsimon’ilay ranomasina, tsy lavitra ny toerana niovan’ny vadin’i Lota ho vongan-tsira. (Ge 19:26; Ze 2:9) Mety ho anisan’ireo namatsy sira ny faritra avaratr’i Palestina ny Fenisianina, izay naka izany avy tamin’ny Ranomasina Mediterane.

Toa tsy ho lany ny tahirin-tsira, nefa tsy mora ny nahazo sira taloha. Niadivana be mihitsy izy io. Ny sira no sarobidy indrindra nanarakaraka ny volamena, tany Chine fahiny. Nisy olona nivarotra ny vady aman-janany ho andevo mba hahazoana sira. Nahazo vola nantsoina hoe salarium ny miaramilan’ny mpanjaka romanina mba hividianana sira.​—Ampit. Ezr 4:14, f.a.p.

Resahin’ny Baiboly fa tena nilaina hampahatsiro sakafo ny sira. (Jb 6:6) Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny hanisiana sira an’izay rehetra natolotra teo ambony alitara ho an’i Jehovah. Tsy hoe mba hampisy tsiro an’ilay izy akory izany, fa mba hiarovana azy tsy ho simba na ho lo. (Le 2:11, 13; Ezk 43:24) Nisy sira be dia be notehirizina àry tao an-tokotanin’ny tempoly. Nataon’i Ezra ampy tsara ilay tahiry mba hampiasaina tamin’ny fanatitra. (Ezr 6:9; 7:21, 22) Nanome sira 20 000 L teo ho eo ho an’ny tempoly, hono, i Antiokosa III (t. 198 T.K.).

Noheverina ho fanafody sy famonoana otrikaretina ny sira. Nisy àry zaza menavava nokosehina tamin’ny sira. (Ezk 16:4) Tsara raha asiana sira kely ny tany sasany be asidra na ny zezika. Raha be loatra anefa izy io, dia maty ny zavamaniry ary lasa ngazana sy tsy mamokatra intsony ny tany, toy ny Lohasahan’i Eofrata izay namokatra be taloha. Nofafazana sira indraindray ny tanàna voaheloka ho rava tanteraka, mba ho lasa ngazana sy tsy hamokatra intsony.​—De 29:22, 23; Mpts 9:45; Jb 39:5, 6; Je 17:6.

Heviny an’ohatra. Miresaka sira an’ohatra matetika ny Baiboly. Nilaza i Jesosy fa ny mpianany “no siran’ny tany”, satria miaro ny olona tsy hanao ratsy sy tsy hivadika amin’Andriamanitra izy ireo. Miaro ny aina koa ny vaovao tsara torin’izy ireo. Hoy koa anefa izy: “Raha tonga matsatso anefa ny sira, ahoana no hamerenana ny tsirony? Tsy azo ampiasaina na amin’inona na amin’inona intsony izy, fa hatsipy any ivelany hohitsakitsahin’ny olona.” (Mt 5:13; Mr 9:50; Lk 14:34, 35) Hoy ny mpivaofy teny ara-baiboly momba ny Matio 5:13: “Zavatra simika, izany hoe klaoriorana sodioma, ny sira ampiasain’ity firenena ity [Etazonia], ka tsy misy tavela intsony izy io raha lasa matsatso na tsy masira, satria izy io mihitsy no atao hoe sira. Nifangaro zavamaniry sy tany kosa ny sira tany Atsinanana ka mety ho lasa natsatso, ary tany sisa tavela. Tsy nisy nilana azy intsony ilay izy, raha tsy hoe natao tamin’ny lalankely angaha araka ny filazan’ny sasany, toy ireny vatokely ireny. Mbola fahita ny sira toy izany any [Palestina]. Any anaty soson-tany no misy azy, ka lasa matsatso tanteraka ilay izy rehefa azon’ny hainandro sy orana.”​—Fanamarihan’i Barnes Momba ny Testamenta Vaovao, 1974.

Nilazana zavatra tsy miovaova sy maharitra ny sira, noho izy io miaro zavatra tsy ho simba. Matetika no niara-nihinana sakafo nisy sira ireo nanao fifanekena, mba hampisehoana fa tsy hivadika mihitsy izy ireo. Tsy azo nivadihana àry ny “fifaneken-tsira.” (No 18:19, f.a.p.) Haharitra mandrakizay ilay fifanekena natao tamin’ny mpanjaka taranak’i Davida, matoa nilaza i Abia mpanjakan’ny Joda fa nanao “fifaneken-tsira” tamin’i Davida sy ny taranany i Jehovah. I Jesosy Kristy “zanak’i Davida” sy “fakan’i Davida” no handova an’ilay Fanjakana sy hitondra mandrakizay.​—2Ta 13:4, 5, f.a.p.; Sl 18:50; Mt 1:1; Ap 5:5; Is 9:6, 7.

Hoy i Jesosy: “Tsy maintsy hiraraka amin’ny rehetra ny afo, toy ny firaraky ny sira.” Midika izany fa hiraraka toy ny sira ny afon’ny Gehena, na handevona ny mpanota rehetra matevin-koditra sy izay mametraka vato mahatafintohina eo anoloan’ny hafa.​—Mr 9:42-49.

Hafa kosa ny dikan’ny hoe sira ao amin’ilay tenin’i Jesosy manaraka hoe: “Manàna sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hatrany ianareo.” (Mr 9:50) Mitovitovy amin’izany ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kl 4:6) Tokony ho voahevitra tsara foana àry izay ataontsika sy lazaintsika, ka izay hahasoa sy hiarovana ny ain’ny hafa no kendrentsika.