Sitima
(Sitìma) [[Hazo] Akasia].
1. Toerana teo amin’ny lemaka karakaina any Moaba. Hatrany Sitima ka hatrany Beti-jesimota ny tobin’ny Israelita. (No 25:1; 33:49; Js 2:1) Toa fanafohezana ny hoe Abela-sitima (Reniranon’ny [Hazo] Akasia) ny hoe “Sitima.” Misy milaza an’i Sitima ho i Tell el-Kefrein, havoana iva tokotokony ho 8 km any avaratratsinanan’i Beti-jesimota (Tell el-ʽAzeimeh, akaikin’ny tendrony avaratratsinanan’ny Ranomasina Maty). I Tell el-Hammam (midadasika kokoa sady tsara toerana, any amin’ny 2,5 km any atsinanan’i Tell el-Kefrein), anefa no azo inoana kokoa hoe ilay Sitima taloha.
Naniraka an’i Mika mpaminaniny i Jehovah mba hampahatsiahy ny Israelita momba ny zavatra nataony ho azy ireo: “Mba tsarovy re, ry oloko, ny teti-dratsin’i Balaka mpanjakan’i Moaba e, sy ny teny navalin’i Balama zanak’i Beora azy. Hatrany Sitima no namonjeko anao ka hatrany Gilgala, mba ho fantatra ny zavatra ara-drariny nataon’i Jehovah.” (Mi 6:5) Tamin’ny Israelita nitoby teo amin’ny Lemak’i Moaba (izay nahafaoka koa an’i Sitima), dia nataon’i Jehovah nandamòka ny tetik’i Balaka hanery an’i Balama hanozona azy ireo. Tsy navelan’i Jehovah hamongotra ny vahoakany ny Moabita. Nataony izay handresen’ny Israely ny Midianita. Niray tetika tamin’ny Moabita mantsy ny Midianita, ka nitarika Israelita maro haloto fitondran-tena sy hanompo sampy. Nanao fahagagana i Jehovah ka afaka niampita an’i Jordana ny Israely, ary nakodian’i Jehovah tao Gilgala “ny fanalam-baraka nataon’i Ejipta.”—No 22:4–25:8; 31:3-11, 48-50; Js 3:1, 14-17; 5:9.
2. Mety ho ny tapany ambany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona ity Sitima ity, raha manondro lohasaha falehan-driaka manokana ny hoe “lohasaha falehan-driakan’ny Hazo Akasia” (Sitima).—Jl 3:18.