Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sitna

Sitna

(Sitnà) [Fiampangana].

Lavadrano iray nolavahan’ny mpanompon’i Isaka teo akaikin’i Gerara sy Rehobota. Nantsoina hoe Sitna izy io satria nampifanditra ny mpanompon’i Isaka sy ny mpiandry ondry tao Gerara. (Ge 26:19-22) Tany akaikikaikin’ny Lohasaha Falehan-driaka Roheibe (Nahal Shonera) angamba no nisy azy io, any amin’ny 30 km any atsimoandrefan’i Beri-sheba. Tsy tena fantatra anefa ny toerana nisy an’i Sitna.