Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Skeva

Skeva

(Skèva).

Jiosy “lehiben’ny mpisorona.” Anisan’ny ‘Jiosy mpivezivezy mpamoaka demonia’ ny zanany fito lahy. Niezaka namoaka demonia izy ireo tao Efesosy, indray andro, ka niteny hoe: “Mandidy mafy anareo amin’ny alalan’i Jesosy izay torin’i Paoly aho.” Hoy anefa ilay fanahy ratsy: “Fantatro i Jesosy, ary fantatro tsara i Paoly, fa mba iza kosa ianareo?” Niantsambotra tamin’izy ireo ilay lehilahy nisy demonia, ary nandroaka azy ireo niala tao an-trano. Nivoaka nitanjaka sy naratra izy ireo tamin’izay. Nankalazaina àry ny anaran’ny Tompo, ary maro ny olona nino ny vaovao tsara notorin’i Paoly.​—As 19:13-20.

Tsy miresaka mpisorona jiosy atao hoe Skeva ny andininy sy asa soratra hafa. Mety ho anarana latinina niantsoana mpisorona hebreo iray koa anefa izy io.