Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Smyrna

Smyrna

(Smỳrna) [Miora].

Tanàna fahiny (Izmir ankehitriny), izay teo amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora. (SARY, Boky Faha-2, p. 946) Grika no mponina tao tany am-boalohany, ary noravan’i Alyatte mpanjakan’i Lydia ilay tanàna tamin’ny 580 T.K. Roanjato taona mahery tatỳ aoriana, dia nikasa ny hanorina azy io indray i Aleksandra Lehibe, ka hanao azy io ho tanàna grika. Ny mpandimby azy anefa no nanao izany, saingy tany an-toeran-kafa. Lasa tanàna lehibe niroboroboan’ny varotra i Smyrna taorian’izay. Rehefa nataon’ny Romanina ho anisan’ny faritanin’i Azia i Smyrna, dia nampiavaka azy ny trano tsara tarehy. Nisy tempoly natao hivavahana tamin’i Tiberio Kaisara tao mba hampirisihina ny olona hivavaka tamin’ny mpanjaka.

I Smyrna no fiangonana faharoa tamin’ireo fiangonana fito nandefasan’ny apostoly Jaona taratasy, araka ny baikon’i Jesosy Kristy efa nomem-boninahitra. (Ap 1:11) Voalaza fa nahantra ilay fiangonana saingy nanan-karena teo amin’ny lafiny ara-panahy. Niaritra fahoriana izy io (azo inoana hoe nenjehina), sady notevatevain’ireo nihambo ho Jiosy, nefa “synagogan’i Satana.” Marina fa nahantra sy nandia fahoriana ny Kristianina teo anivon’ny fiangonana tao Smyrna. Nilazana anefa izy ireo mba tsy hatahotra ny zavatra tsy maintsy hiaretany, ary nampirisihina ‘tsy hivadika mandra-pahafatiny’ mba hahazoany ny “satroboninahitry ny fiainana.”​—Ap 2:8-11.