So
(Sô).
Mpanjaka tany Ejipta niara-belona tamin’i Hosea, izay nitondra farany ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely. Nogadraina i Hosea, rehefa niray tetika tamin’i So mba hikomy tamin’i Salmanesera Faha-5, ka tsy nandoa hetra intsony tamin’i Asyria. (2Mp 17:3, 4) Sarotra be ny mamantatra hoe iza tamin’ireo mpanjaka ejipsianina velona tamin’izany i So (i Osorkon Faha-4 sa i Shabaka?). Tsy azo antoka mantsy ny fanisan-taona ejipsianina.—Jereo FANISAN-TAONA.