Soaha
(Sohà).
Zanakalahin’i Abrahama, ary ny anarany no voatonona fahnina sady farany amin’ireo naterak’i Ketora vadiny faharoa. (1Ta 1:32) Nomen’i Abrahama fanomezana i Soaha sy ireo rahalahiny dimy, ary avy eo nasainy nifindra nankany Atsinanana. (Ge 25:1, 2, 5, 6) Misy mihevitra fa nonina teny amoron’i Eofrata teo anelanelan’i Balikh sy Khabour (roa tamin’ireo sampan’i Eofrata), ny Sohita taranak’i Soaha. I Bildada naman’i Joba no hany Sohita resahin’ny Baiboly.—Jb 2:11.