Soala
(Soàla) [Amboadia].
1. Zanakalahin’i Zofa, ary filoha teo amin’ny fokon’i Asera.—1Ta 7:36, 40.
2. Faritra iray voatonona miaraka amin’i Ofra, ary azo inoana fa tany avaratr’i Mikmasy. Nandeha nanafika tany Soala ny Filistinina nitoby tao Mikmasy. (1Sa 13:16, 17) Tsy fantatra izay tena nisy an’i Soala.