Sobala
(Sôbàla).
1. Lehibem-pokon’ny Horita. Zanakalahin’i Seira izy ary niteraka dimy lahy.—Ge 36:20, 23, 29; 1Ta 1:38, 40.
2. Zanakalahin’i Hora taranak’i Kaleba avy amin’ny fokon’i Joda. Voalaza fa maro ny taranak’i Sobala, ka anisan’ireny ny mponina tany Kiriata-jearima sy tany amin’ny tanàna hafa.—1Ta 2:50, 52, 53; 4:1, 2.