Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sodina

Sodina

Zavamaneno tsofina, lava marotsaka.​—Ge 4:21.

Tsy fantatra hoe inona marina ilay zavamaneno atao hoe ʽogav (heb.), satria tsy resahin’ny Baiboly ny mombamomba azy. Adikan’ny Baiboly maoderina maro hoe “sodina” anefa izy io. (Jb 21:12; 30:31; Sl 150:4; Prot., Kat., DIEM) Ny sodina àry no zavamaneno tsofina resahin’ny Baiboly voalohany. I Jobala, ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama, no “nipoiran’ny [a.b.t.: rain’ny] ... mpitsoka sodina rehetra.” (Ge 4:21) Tamin’izay angamba no nanjary asa fivelomana ny famoronana zavamaneno na ny fitendrena azy ireny.

Misy manam-pahaizana milaza fa lasa niantsoana ny zavamaneno tsofina rehetra ny hoe ʽogav, na dia tsy anisan’ireo nampiasaina tao amin’ny tempoly aza. Mety ho zavamaneno iray monja anefa izy io tany am-boalohany, angamba sodina iray, na sodina maromaro natambatambatra izay notampenana ny ambany ary namoaka feo samihafa rehefa notsofina. Mety ho ʽogav ilay hoe mashrôhki (aram.; “sodina”, Da 3:5, 7, 10, 15; JM, DIEM) notsofin’ny mpitendry mozikan’i Nebokadnezara.

Mbola iadian-kevitra koa hoe inona amin’ireo zavamaneno misy ankehitriny no mifanitsy amin’ny hoe halil (heb.) sy aolôs (gr.). Nadikan’ny Baiboly maoderina maro hoe “sodina”, araka ny famaritan’ny diksionera, anefa ireo teny ireo. (1Sa 10:5; 1Ko 14:7, Prot., Kat., DIEM, JM) Midika hoe “manatrobaka” ny fototeny hebreo mety ho niavian’ny hoe halil. (Is 51:9; 53:5) Toa nasiana loadoaka mifanelanelana mantsy ny bararata na fantàkamanitra, na taolana, na ivoara lavalava rehefa avy nesorina ny atiny, ary natao sodina. Resahin’ny asa soratra ejipsianina fa maro karazana ny sodina tany Ejipta. Nisy notazonina misompirana kely, ary teo amin’ny sisiny ny lavaka fitsofana azy. Ny hafa indray sodina roa nitambatra teo amin’ny tendrony, ka teo no notsofina.

Toa aolôs (gr.) koa no niantsoana ny karazana zavamaneno roa, dia ireo nisy bararata kely fitsofana azy, sy ny sodina tsotra mahazatra. Halil (heb.) kosa no toa lasa niantsoana ny zavamaneno tsofina rehetra. Ilazana ny sodina fotsiny anefa izy io ankehitriny, ary izany koa no dikany ao amin’ny Baiboly, araka ny lovantsofina jiosy.

Anisan’ny zavamaneno be mpitia indrindra ny sodina, izay notsofina rehefa fotoam-pifaliana, toy ny fanasana na fampakaram-bady. (Is 5:12; 30:29; 1Mp 1:40) Naka tahaka izany ny ankizy teny an-tsena. (Mt 11:16, 17) Notsofina koa ny sodina rehefa nisy fahoriana. Matetika no nampiarahina tamin’ny feon-tsodina mitaraindraina ny feon’ny mpitomany.​—Mt 9:23, 24.