Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sodoma

Sodoma

(Sôdôma).

Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Kanana, teo amin’ilay sisin-tany atsimoatsinanana. (Ge 10:19; 13:12) Resahina miaraka amin’i Gomora i Sodoma matetika, ary toa i Sodoma no nalaza indrindra tamin’ireo tanàna dimy tany amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima. (Ge 14:2, 3) Manam-pahaizana maro no mihevitra fa tototry ny Ranomasina Maty i Sodoma sy ireo “tanànan’ny Faritr’i Jordana.” Misy kosa milaza vao haingana fa mety ho any amin’ireo lohasaha any atsinanana sy atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty ny sisa tavela tamin’ireo tanàna ireo.​—Ge 13:12; jereo RANOMASIN-TSIRA.

Tapa-kevitra i Abrahama sy Lota fa hisaraka, satria tsy tiany hiady ny mpiandry ny biby fiompiny. Niantsinanana àry i Lota, ka nankany amin’ny Faritr’i Jordana izay faritra azon-drano tsara. Nanangana ny tranolainy teo akaikin’i Sodoma izy. Hitany anefa fa tena “ratsy fanahy ny olona tao Sodoma sady nanota be tamin’i Jehovah.” Ory dia ory àry izy. (Ge 13:5-13; 2Pe 2:7, 8) Nikomy tamin’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, ny mponin’i Sodoma sy ny tanàna efatra hafa, taoriana kelin’izay, rehefa avy nozanahiny 12 taona. Herintaona taorian’izay, dia resin’i Kedorlaomera sy ny mpiray dina taminy i Bera mpanjakan’i Sodoma sy ireo nanao fifanekena taminy. Nobaboin’izy ireo ny fananana sy ny sakafo tao, ary nentiny koa i Lota sy ny olon-kafa.​—Ge 14:1-12.

Nenjehin’i Abrahama sy ny tafiny i Kedorlaomera, ary azony indray ireo zavatra sy olona nobaboina, anisan’izany i Lota sy ny ankohonany. Nanery an’i Abrahama handray an’ireo zavatra nobaboina i Bera mpanjakan’i Sodoma, saingy tsy nety i Abrahama satria, hono, sao hilaza i Bera hoe: “Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.”​—Ge 14:13-24.

Fandringanana mandrakizay. Nikiry nanao ratsy foana ny mponina tao Sodoma, mba hanoherana an’i Jehovah, ka lasa nalaza ho ratsy fitondran-tena. Nanao firaisana, ohatra, ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy tao. Hoy i Jehovah: “Tena mafy tokoa ny fitarainana momba an’i Sodoma sy Gomora, ary tena mavesatra ny fahotan’izy ireo.” Naniraka anjely handrava an’i Sodoma àry Andriamanitra. Nomeny toky anefa aloha i Abrahama fa tsy horavany ilay tanàna manontolo raha nisy olo-marina folo tao.​—Ge 18:16, 20-33.

Tena mendrika ny haringana anefa ireo mponina ratsy toetra tao. Nanodidina an’ilay tranon’i Lota mantsy izy ireo, na ankizilahikely na lahiantitra, ary notadiaviny hovetavetaina ireo anjely nivahiny tao amin’i Lota. Noravana tamin’ny solifara sy afo i Sodoma sy Gomora ny ampitso, rehefa tafavoaka avy tao i Lota sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy. (Ge 19:1-29; Lk 17:28, 29) Nanomboka teo ny hoe Sodoma sy Gomora dia nampiasaina hilazana fandringanana tanteraka avy amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra (De 29:23; Is 1:9; 13:19; Je 49:18; 50:40; Ft 4:6; Am 4:11; Ze 2:9; Ro 9:29) sy hilazana faharatsiana tafahoatra.​—De 32:32; Is 1:10; 3:9; Je 23:14; Ezk 16:46-56; jereo GOMORA.

Hoy i Jesosy momba izay tanàna jiosy tsy handray ny vaovao tsara: “Ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma sy Gomora amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo izany tanàna izany.” (Mt 10:15; 11:23, 24) Milaza ny Joda 7 fa “aseho ho anatra ho antsika” i Sodoma sy Gomora, “rehefa notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay.” Nampitombo fomba filaza i Jesosy, satria te hanantitrantitra hoe sarotra inoana ny hibebahan’ny mponin’ireny tanàna jiosy sasany tamin’ny taonjato voalohany ireny na dia amin’ny Andro Fitsarana aza.

Sodoma “amin’ny heviny an’ohatra.” Milaza ny Apokalypsy 11:3, 8 fa hiampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe, izay “antsoina amin’ny heviny an’ohatra hoe Sodoma sy Ejipta” ny fatin’ireo ‘vavolombelona roa.’ Ampitahain’ny faminanian’i Isaia (1:8-10) amin’i Sodoma i Ziona na Jerosalema, ary lazainy hoe “mpitondra jadon’i Sodoma” ireo mpitondra tao Jerosalema. Efa ela anefa (taona 70) no rava i Jerosalema, tamin’ny fotoana (taona 96 t.) nahazoan’i Jaona fahitana momba ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy. Ilay Sodoma resahin’ny Apokalypsy àry dia “tanàna lehibe” na fikambanana, izany hoe Jerosalema an’ohatra, izay mifanitsy amin’ilay Jerosalema nivadika fahiny.