Sofa
(Sòfa).
1. [Mety hidika hoe Bararata]. Anisan’ny toerana nahalalana hoe taiza i Mosesy no niresaka tamin’ny Israelita tamin’ny taona faha-40 nivezivezen’izy ireo tany an-tany efitra. (De 1:1) Tsy “Sofa” fa “Ranomasina Mena” no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Bagster) sy ny Vulgate latinina. Misy mihevitra mantsy fa ilay teny hebreo hoe Sof dia fanafohezana ny hoe yam-sof (Ranomasina Mena) saingy tsy nosoratana ilay hoe yam (midika hoe “ranomasina”). Raha izany no izy, dia ny Hoalan’i ʽAkaba, ampahany amin’ny Ranomasina Mena no nantsoina hoe Sofa. Lazain’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta anefa fa “tany an-tany efitra, teny amin’ny lemaka karakaina tandrifin’i Sofa” i Mosesy no niteny tamin’ny Israely. Milaza koa ny andininy faha-5 fa “tao amin’ny faritr’i Jordana, any amin’ny tany Moaba” izany no nitranga. Toa toerana tany atsinanan’i Jordana àry i Sofa, na dia tsy fantatra aza izay tena nisy azy. Misy mihevitra an’i Sofa ho i Kirbet Sofa, tokotokony ho 6 km any atsimo atsimoatsinanan’i Madaba.
2. Faritra na lohasaha, izay azo inoana fa tsy lavitra an’i Arnona. (No 21:14) Misy mandika an’io teny hebreo io hoe “mirimorimo fandeha” (Kat.). Ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina anefa nandika azy io hoe faritra na lohasaha, ka milaza fa “any Sofa” no misy an’i Vaheba.—TV, Prot., DIEM.