Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sofina

Sofina

Taova noforonin’i Jehovah Andriamanitra mba handrenesana feo. (Sl 94:9; Oh 20:12) Mizara ho telo ny sofina: Ny ivelany, ny antenatenany, ary ny atisofina. Kely ilay faritra atao hoe sofina antenatenany, satria manomboka eo amin’ny ampongantsofina izy io ka hatreo amin’ilay fantsona miolikolika efa anisan’ny atisofina. Manampy handrenesana feo ny atisofina. Tsy izay ihany anefa fa misy taova koa ao anatin’izy io, ary izay taova izay no manampy ny olona tsy hivembena rehefa mandeha sy rehefa mihetsika. Ny sofina roa no manampy ny olona hamantatra hoe avy aiza ka mankaiza ny feo henony.

Mihovotrovotra ny feo matoa ren’ny sofina. Kajina arakaraka ny isan’ny hovotrovotra isan-tsegondra izy io. Afaka mandre feo mihovotrovotra in-20 ka hatramin’ny in-20 000 eo ho eo isan-tsegondra ny sofin’ny olombelona. Tsy afaka mandre feo maranitra be ny sofin’ny olona, fa ny biby kosa mahare izany. Tena mahavariana ny hamafin’ny feo ren’ny sofin’ny olombelona: Avo roa tapitrisa tapitrisa heny noho ny feo ambany indrindra ren’ny sofiny ny feo ambony indrindra zakan’ny sofiny ka tsy hanimba azy io. Efa tena ao amin’ny ilana azy ny fahaizan’ny sofin’ny olombelona mandre feo, satria raha marani-tsofina kokoa noho izany izy, dia ho henony daholo hatramin’ny feon’ny molekiolan’ny rivotra mihetsiketsika tsy an-kijanona.

Lazaina an’ohatra ao amin’ny Baiboly hoe manana sofina ilay Nanao ny sofina, satria afaka mandre izy. (No 11:18; Sl 116:1, 2) An’ohatra no ilazan’i Jehovah hoe manana sofina izy ka mihaino ny vavaka sy fitalahoana ary fitarainan’ny olo-marina. (Sl 10:17; 18:6; 34:15; 130:2; Is 59:1; 1Pe 3:12) Henony koa rehefa mimonomonona ireo be taraina, sy rehefa manaratsy azy ny fahavalony. (No 11:1; 2Mp 19:28) Tsy mihaino anefa izy, na hitalaho aminy aza izy ireny rehefa tonga ny fandringanana azy ireny. (Ezk 8:18) Mazava ho azy fa tsy mandre sady tsy afaka mamaly ny vavaka ataon’ireo mpivavaka aminy ny sampy, na dia mety hanana sofina vita sokitra aza.​—Sl 115:6.

Heviny an’ohatra. Ampiasaina an’ohatra ny hoe “sofina”, ao amin’ny Baiboly, mba hilazana an’izay rehetra voafaoka ao amin’ny hoe mihaino: Ny fahaizana mihaino, ary avy eo mamantatra raha marina sy zava-dehibe ny zavatra re. (Jb 12:11; 34:3) Ny hoe ‘mihaino’ na ‘manongilan-tsofina’ àry dia ilazana hoe mifantoka amin’izay re ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. (Sl 78:1; 86:6; Is 51:4) Lazaina hoe ‘nosokafana ny sofin’ny’ olona iray raha nampiana izy mba hahazo na hahatakatra hevitra iray. (Is 50:5) Midika ara-bakiteny hoe ‘manala ny sarona eo amin’ny sofin’ny olona iray’ ny teny hebreo nadika hoe ‘manambara aminy’ ao amin’ny 1 Samoela 9:15. Mety ho avy amin’ny fanaon’ny Tatsinanana izy io. (Manokatra kely ny saron-dohany ny Tatsinanana mba handrenesana tsara kokoa.) Midika hoe mampahafantatra mitokana na mampiharihary zava-miafina na zavatra mbola tsy fantatra izy io. Izany koa no dikan’ny teny hebreo hafa midika ara-bakiteny hoe ‘manambara eo an-tsofina’ ary nadika hoe “milaza.”​—1Sa 20:2, 12, 13; 2Sa 7:27.

Azo ‘fohazina ny sofina’, izany hoe azo afantoka amin’izay re. (Is 50:4) Rehefa nofohazina ny sofin’ny olona iray, dia tsy azo lazaina intsony hoe “marenina [eo amin’ny ara-panahy] nefa manan-tsofina [ara-bakiteny]” izy. (Is 43:8) Voalaza hoe mihaino an’Andriamanitra ny olo-marina, fa “manampin-tsofina” amin’ny zava-dratsy kosa izy. (Is 33:15) Mety hidika koa hoe ‘mifantoka, mahazo hevitra, ary manao zavatra’ ilay teny grika nadika hoe “mihaino.” Izany no heviny ao amin’ilay tenin’i Jesosy Kristy hoe ‘ny ondriko mihaino ny feoko’ sy hoe “tsy hanaraka olona tsy fantany mihitsy ireo, fa handositra azy kosa satria tsy fantany ny feony.”​—Jn 10:27, 5.

Voalaza fa “lalodalovana” ny sofin’ny mpikomy. (Is 6:10; As 28:27) Izy ireny dia toy ny kôbrà manampin-tsofina, izay tsy mety mihaino ny feon’ny mpibaiko azy.​—Sl 58:4.

Nolazain’i Jehovah hoe ‘tsy voafora sofina’ ny Israelita mafy loha sy tsy nankatò. (Je 6:10; As 7:51) Toy ny hoe nisy zavatra nanentsina ny sofin’izy ireo ka tsy nandre. Tsy nosokafan’i Jehovah koa ny sofin’izy ireo. Ny olona mitady an’i Jehovah ihany mantsy no ampiany hahazo ny hevitr’izay ren’izy ireo sy hankatò izany. Avelany ho lalodalovana kosa ny sofin’ireo tsy mankatò. (De 29:4; Ro 11:8) Nilaza mialoha ny apostoly Paoly fa hisy olona hihambo ho Kristianina nefa hiala amin’ny tena finoana. Tsy te handre ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, fa zavatra mahafinaritra ny sofiny kosa no tiany ho re, ka hihaino mpampianatra sandoka izy ireo. (2Ti 4:3, 4; 1Ti 4:1) Mety ‘hangorintsina [koa] ny sofina’ rehefa mandre vaovao manaitra, indrindra raha milaza loza ilay izy.​—1Sa 3:11; 2Mp 21:12; Je 19:3.

Nandre an’ilay feo ren’i Saoly koa ve ireo lehilahy niaraka taminy, tamin’i Saoly nohajambain’ilay hazavana avy tany an-danitra?

Tsy mitovy ny hoe mandre feo sy ny hoe mandre sady mahazo ny dikan’izay lazaina. Manaporofo izany ny tantaran’ny niovan’i Saoly ho Kristianina sy ny fomba nitantarany izany tatỳ aoriana. (As 9:3-8; 22:6-11) Voalazan’ny Asan’ny Apostoly 9:7 fa nandre “feo” ireo lehilahy niaraka tamin’i Saoly. Nilaza kosa i Paoly (Saoly) ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22:9 fa tsy nandre ny teny izy ireo. Raha azo tsara ny tiana holazaina amin’ireo andininy roa ireo, dia hita fa tsy mifanohitra izy ireo. Amin’ny endriny ilazana tompon-javatra (fônes) mantsy ny teny grika nadika hoe “feo” (fône) ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:7, ary midika ara-bakiteny hoe fandrenesana an’ilay feo, izany hoe feo fotsiny no ren’izy ireo fa tsy azony ny dikan’izay lazaina. Fameno kosa ny fône ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22:9, ka lasa hoe fônen. Midika izany fa ‘tsy nandre ny tenin’i Jesosy’ izay niresaka tamin’i Saoly izy ireo fa nandre feo fotsiny. Tsy azon’izy ireo àry ny tenin’i Jesosy, fa i Saoly kosa nahazo tsara izany. (As 9:4) Rehefa azo tsara io fampiasan’ny Baiboly ny hoe ‘mandre’ amin’ny heviny roa io, dia mazava fa tsy misy hevitra mifanohitra eo.

Nisy ondrilahy natao sorona mba hametrahana mpisorona teo amin’ny toerany. Nasaina naka tamin’ny ran’ilay ondrilahy i Mosesy ka nanao izany teo amin’ny ravintsofin’i Arona ankavanana sy ny tanany ankavanana ary ny tongony ankavanana. Natao toy izany koa ny tsirairay tamin’ny zanakalahin’i Arona. Midika izany fa tokony hisy vokany mivantana amin’ny zavatra henoin’izy ireo sy ny zavatra ataony ary ny fomba itondrany ny tenany ny zava-nitranga tamin’izay fotoana izay. (Le 8:22-24) Natao toy izany koa ny boka rehefa sitrana: Milaza ny Lalàna fa tokony hakan’ny mpisorona ny menaka natao fanatitra sy ny ran’ny ondrilahy natao fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay boka. (Le 14:14, 17, 25, 28) Misy fombafomba mitovy amin’izany koa natao rehefa te hijanona ho mpanompon’ny tompony foana ny lehilahy iray. Nentina teo amin’ny tolàna ilay lehilahy ary notevehin’ny tompony tamin’ny haolo ny sofiny. Marika niharihary teo amin’ny sofiny izany, ka azo inoana fa nampahafantatra hoe iriny ny hihaino sy hankatò foana ny tompony.​—Ek 21:5, 6.

Tena ilain’ny olombelona ny mandre ny tenin’Andriamanitra izany hoe mihaino tsara sy mankatò azy io, ary izany rahateo no ampirisihan’ny Baiboly. Misy anefa manantitrantitra hoe tena ilaina ny mahita an’Andriamanitra. Hoy i R. Dentan momba izany: “Ny ‘mihaino’ an’Andriamanitra fa tsy ny ‘mahita’ azy no tena ampirisihin’ny Baiboly hataon’ny olona ... Ireo fivavahana hafahafa no mihevitra hoe tanjona ambony indrindra tokony hotratrarina izany ‘mahita’ an’Andriamanitra izany. Ao amin’ny Baiboly kosa, dia ny hoe ‘mihaino’ sy mankatò ny tenin’Andriamanitra no tena asongadina. Fitenenana manan-danja indrindra eo amin’ny fivavahan’ny Israely ny hoe: ‘Mihainoa, ry Israely ô.’ Tsy ny olona nahita fahitana no lazaina hoe ‘izay avy amin’Andriamanitra’, fa ny olona ‘mihaino ny tenin’Andriamanitra’ (Jn 8:47).”​—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 1; jereo MARENINA.