Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sokay

Sokay

Rehefa dorana ny karazana karbonatana kalsioma (toy ny vatosokay, akorandriaka, na taolana), dia ahazoana sokay. (Am 2:1) Fotsy izy io rehefa tsy misy fangarony. Be vatosokay tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Palestina. Ny potipotik’ireny no nodorana tao anaty lafaoro boribory lavalava na somary matsoko loha, mba hahazoana sokay (oksidana kalsioma). Fahiny, dia ny sokay (heb.: sid) no tena nanaovana rihitra, sy natao lalotra, ary nandokoana fotsy ny rindrina sy ny fasana ary zavatra hafa. (De 27:4; Ezk 13:10; Mt 23:27; As 23:3) Ho ringana no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe hirehitra toy ny sokay.​—Is 33:12; jereo LAFAORO FANDOROANA BIRIKY.