Sokitra
Fahaizana mandrafitra hazo sy vato na manefy metaly sy tanimanga mba hanaovana sarin-javatra, na fahaizana manao sary na soratra eo amin’ny hazo (1Mp 6:29, 32), metaly (Ek 39:30), na vato (Za 3:9). Maromaro ny teny hebreo nadika hoe sokitra, fa ny hoe pesel no nadika matetika hoe sary sokitra. Ny peratra fanombohan-kasen’i Joda angamba no asa sokitra voaresaka an-kolaka voalohany ao amin’ny Baiboly. (Ge 38:18) Vy maranitra, na indraindray fantsika diamondra, no nanaovana sokitra. (Je 17:1) Ny “rantsantanan’Andriamanitra” kosa no nanao sokitra ny Didy Folo teo amin’ny vato.—Ek 31:18; 32:16; 34:1; 2Ko 3:7.
Natao sokitra teo amin’ireo vato oniksa roa teo amin’ny soroky ny efodan’ny mpisoronabe ny anaran’ny fokon’ny Israely, ka nisy anarana enina avy ny vato tsirairay. Vatosoa 12 no nandravaka ny saron-tratrany ary voasokitra teo amin’ny vato tsirairay ny anaran’ny foko tsirairay. Voasokitra teo amin’ny takela-bolamena masina namirapiratra teo amin’ny satroka lambany koa ny soratra hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.”
Noraran’ny Didy Folo tsy hanao sary sokitra hivavahana ny Israely (Ek 20:4), ary mbola naverina izany tatỳ aoriana. “Voaozona izay manao sary sokitra.” (De 27:15; 4:16, 23; 5:8) Nilaza imbetsaka ny mpaminany fa hadalana ny manao sary sokitra sy mivavaka amin’ireny, ary nomelohin’izy ireo izay nanao izany. (Sl 97:7; Is 42:17; 44:9-20; 45:20; Je 10:14, 15; Na 1:14; Ha 2:18) Tsy azo lazaina ho nanompo an’i Jehovah irery ihany ny vahoakany, raha nampiasa sary sokitra rehefa nivavaka. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra àry ny Israely, isaky ny nivadika taminy ka nivavaka tamin’ny sary sokitra namboariny.—Mpts 18:18, 30, 31; 2Mp 21:7-9; 2Ta 33:7, 22; Ezk 8:10.
Nisy sary sokitra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempolin’i Solomona. Ravaka fotsiny anefa izy ireny fa tsy natao hivavahana, ary manana heviny an’ohatra. I Jehovah no nandidy ny hanaovana azy ireny, ary nomeny ny fanahiny i Bezalila sy Oholiaba mpanao asa tanana mahay, izay voafidy hanara-maso ny fanaovana an’ilay tranolay. (Ek 35:30, 31, 34) Anisan’ny volamena sy vatosoa natao sokitra ny fitoeran-jiro, ireo kerobima teo amin’ny saron’ny Vata masina, ny vatosoa teo amin’ny saron-tratra, ary ny takela-bolamena teo amin’ny satroka lamban’ny mpisoronabe. (Ek 25:18, 19, 31-40; 28:2, 21, 36) Sary sokitra vita tamin’ny hazo sedera nopetahana takela-bolamena kosa ireo kerobima, hazo palmie, felam-boninkazo, ary voatango nandravaka ny tempolin’i Solomona. (1Mp 6:18-35; 2Ta 2:7) Nisy sary sokitra maro koa ilay tempoly an’ohatra tao amin’ny fahitan’i Ezekiela.—Ezk 41:17-20.
Tsy mahagaga raha an’ny mpanompo sampy na an’ny mpivadi-pinoana ny sary sokitra hitan’ny mpikaroka tany Palestina, satria noraran’Andriamanitra ny fanaovana sary sokitra hivavahana. Tsy nanao tsangambato hahatsiarovana an’ireo mpitondra nalaza teo aminy koa ny Israelita, na nanao sary mivohitra mitantara ny fandresen’ny tafiny. Ahalalana ny fivavahana sy fiaimpiainana ary ady nataon’ny olona tany Ejipta, Asyria, Babylonia, ary Persa fahiny anefa ny sary mivohitra sy sarivongana ary sary sokitra hita tany. Ny sasany tamin’ireny no nahitana fa nampiasa vato, tanimanga, hazo, fitaratra, ivoara, vatosoa, taolana, platra, akorandriaka, metaly, ary vatosanga ny mpanao sokitra rehefa nanao seza fiandrianana, liona, andry, firavaka, peratra fanombohan-kase sy tombo-kase, vatam-paty, takela-bato, fanaka, ravaka amin’ny rindrina, ary fitaovana.