Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soko

Soko

(Sòko) [mety hidika hoe Rantsankazo].

1. Tanàna tany Sefela tany Jodia. (Js 15:20, 33, 35) Nangonin’ny Filistinina tao Soko ny tafiny, ary nitoby tao Efesa-damima teo akaiky teo izy ireo, talohan’ny adin’i Goliata sy Davida. (1Sa 17:1) Taona maro tatỳ aoriana, dia toa anisan’ny tanàna nohamafisin’i Rehoboama i Soko. (2Ta 11:5-7; mety ho ilay Soko No. 2 koa anefa no resahin’io andininy io.) Azon’ny Filistinina anefa izy io sy ireo tanàna niankina taminy, 200 taona tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka. (2Ta 28:16-18) Misy milaza an’io Soko io ho ilay tanàna rava ao Kirbet ʽAbbad (Horvat Sokho), eo amin’ny Lemaka Ivan’i Elaha, tokotokony ho 4 km, any atsinanana atsimoatsinanan’i Azeka. Mbola ahitana an’ilay anarana hoe Soko anefa ao amin’ny hoe Kirbet Shoveikeh, toerana eo atsinanana kely eo.

2. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:20, 48) Matetika izy io no voalaza fa i Kirbet Shoveikeh, tokotokony ho 17 km any atsimoandrefan’i Hebrona. Hafa io Kirbet Shoveikeh io, fa tsy ilay voaresaka eo amin’ny No. 1.

3. Toerana niandraiketan’ny lehibem-paritra iray notendren’i Solomona. (1Mp 4:7, 10) Misy milaza azy io ho i Kirbet Shoveiket er-Ras, tokotokony ho 15 km any andrefana avaratrandrefan’i Samaria. Toa mifanaraka amin’ilay fitantarana izany, satria samy eo akaiky eo ny toerana voalaza fa nisy an’i Arobota sy Hefera, izay resahin’ny bokin’ny Mpanjaka miaraka amin’i Soko.

4. Ao amin’ny tetirazan’i Joda, dia voalaza fa i Hebera no “rain’i Soko.” (1Ta 4:18) Mety ho olona iray taranak’i Hebera ny hoe Soko, na mety ho anaran-tanàna, ka i Hebera no nanorina azy io na razamben’ny mponina tao. Raha tanàna tokoa àry izy io, dia tsy fantatra raha ilay Soko No. 1 na ilay No. 2.