Sokota-benota
(Sokòta-benòta) [Trano Rantsankazon’i Benota].
Andriamanitra nivavahan’ireo Babylonianina nafindran’ny mpanjakan’i Asyria tao amin’ireo tanànan’i Samaria, rehefa nataony sesitany ny Israelita tao amin’ny fanjakan’ny foko folo. (2Mp 17:30) “Sokota-benota” no anaran’i Sarpanito (vadin’i Merodaka [Mardoka]) amin’ny teny hebreo, hoy ny manam-pahaizana sasany. Misy indray milaza fa i Merodaka na Mardoka i “Sokota-benota”, satria mety ho izy ilay Sakot(h)banʼvat(h) izay midika hoe “ilay Mpanolo-tsaina, Mpamorona ny Tany.” Io anaram-boninahitra io no niantsoana an’i Merodaka, izay ninoan’ny Babylonianina fa namorona an’izao tontolo izao.