Sola
Sola ny loha raha tsy misy volo, na dia tsy voatery hoe mangadihady tanteraka aza. Matetika mantsy no faritra kely ihany no sola, fa ny faritra hafa kosa misy volo ara-dalàna. Fahita matetika ny hoe mihamanify ny volo eo an-tampon-doha ary mihasola ny eo amin’ny handrina. Voaresaka ao amin’ny Baiboly ny “fahasolana” (heb.: korhah), ny “faritra sola eo an-tampon-doha” (heb.: karahat) ary ny “fahasolana eo anoloana” (heb.: gibbeah sy gabbahat). (Le 13:41-44; 21:5) Tsy fantatra ny tena antony mahasola. Heverina fa manaranaka izy io, amin’ny ankapobeny. Eo koa anefa ny aretina, ny hormonina tsy mifandanja, ny fahanterana, ny fikorontanan-tsaina, ny fitsaboana sasany, ary ny tety (na farasisa).
Lasa tsy dia manintona ny olona rehefa sola. Nahamenatra àry ny hoe sola, tamin’ny olona fahiny. Mariky ny fisaonana sy fahoriana koa izy io. (Is 3:24; 15:2; Je 47:5; Ezk 27:31; Am 8:10; Mi 1:16) Tsy milaza anefa ny Lalàn’i Mosesy hoe maloto ny olona sola. (Le 13:40) Tsy anisan’ireo kilema nisakana ny olona tsy ho mpisorona ny fahasolana. Nahazo fahitana i Ezekiela mpaminany ka nasaina nilaza tamin’ny mpisorona hoe tsy tokony havelan’izy ireo ho lava ny volon-dohany nefa koa tsy tokony hoharatany, fa tokony hohetezany kosa.—Ezk 44:20.
Sola i Elisa mpaminany, ary nisy ankizilahy maromaro naneso azy tamin’izy niakatra ny havoana mba ho any Betela avy tany Jeriko. Vao lasa mpaminany nisolo an’i Elia izy tamin’izay. Nanakora azy àry ireo ankizy ireo hoe: “Miakara, ry ilay sola! Miakara, ry ilay sola!” Tsy tena ilay hoe i Elisa sola no nahatonga azy ireo hanakora azy, fa noho izy ireo nahita lehilahy sola nanao an’ilay akanjona mpaminany fanaon’i Elia. Tsy tian’izy ireo hisy mpandimby an’i Elia mantsy hijanona teny amin’ny manodidina. Tiany hanohy ny diany hiakatra ho any Betela i Elisa, na hiakatra teny amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra toa an’i Elia ilay tompon’ny akanjo nanaovany. (2Mp 2:11) Nanozona an’ireo ankizy ireo tamin’ny anaran’ny Andriamanitr’i Elia i Elisa mba hanaporofoana fa izy tokoa no mpandimby an’i Elia ary mba hananarana an’ireo ankizy ireo sy ny ray aman-drenin’izy ireo mba hanaja ny mpaminanin’i Jehovah. Tamin’izay no nahitana fa tena mpaminany tokoa i Elisa. Nasehon’i Jehovah fa nankasitrahany izy: Nisy orsavavy roa nasainy nivoaka avy tao anaty ala teo akaiky teo, ka namiravira 42 tamin’ireo ankizy.—2Mp 2:23, 24.
Fanaon’ny olona tany amin’ny firenena sasany ny nanaratra ny lohany mba ho sola, rehefa nisy havana maty. Nanao izany koa izy ireo noho ny fivavahana. Ny Israelita kosa norarana tsy hanao izany. (De 14:1) Mazava ny baiko nomena an’ireo mpisorona fa tsy tokony hosolainy ny lohany, na hoharatany ny sisin’ny volombavany, rehefa misy maty. (Le 21:5) Nilazana koa ny Israelita mba tsy hanety ny volo teo amin’ny fihirifany na hanety ny sisin’ny volombavany.—Le 19:27; Je 9:26; jereo VOLOMBAVA.
Fanaon’ny lehilahy ejipsianina ny nanaratra ny volon-dohany. Tamin’izy ireo, ny olona nisy volombava dia olona nisaona na tsy nahava-tena. Izany no nahatonga an’i Josefa hiharatra rehefa nivoaka avy tao am-ponja mba hiseho teo anatrehan’i Farao. (Ge 41:14) Nanao solovolo anefa ny Ejipsianina raha sola. Maro no nanaratra ny lohany sy ny volombavany, ary avy eo nanao solovolo na solona volombava. Misy torohevitra 11 momba ny fisorohana ny fahasolana ao amin’ny Horonana Papyrus Ebers (horonana ejipsianina momba ny fitsaboana, t. 2000 T.K.).
Milaza ny Lalàna fa tokony hanaratra ny lohany izay olona nisy habokana teo amin’ny lohany. Tokony hanao izany izy rehefa hatokan-toerana, sy tamin’ny andro nidiovany, ary tamin’ny andro fahafito. (Le 13:33; 14:8, 9) Raha voaloto ny Nazirita iray, dia tokony hoharatany ny lohany amin’ny andro anekena azy ho madio. (No 6:9) Tokony hanaratra ny lohany ny vehivavy azo babo raha tian’ny miaramila israelita halaina ho vady.—De 21:12.
Lasa sola ny miaramilan’i Nebokadnezara, tamin’izy ireo nanao fahirano an’i Tyro. Nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah fa “sola mihitsy ny lohan’izy rehetra, ary niendaka mihitsy ny hoditra teo amin’ny sorok’izy rehetra”, noho ny “fanompoana mafy” nampanaovin’i Nebokadnezara azy ireo. Nampiasa azy ireo i Jehovah tamin’izay mba hampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Tyro. Lasa sola tokoa ny lohan’izy ireo satria nikasokasoka foana tamin’ny fiarovan-dohany. Nikasokasoka tamin’ny sorok’izy ireo koa ny fitaovana nolanjainy hanamboarana tilikambo sy zavatra hafa nilaina tamin’ilay fahirano.—Ezk 26:7-12; 29:17, 18.
Tany amin’ny tanàna sasany tamin’ny andron’ny apostoly, dia nosolaina ny vehivavy tratra nanitsakitsa-bady na nijangajanga, ho fanasaziana azy. Izany, ohatra, no natao tany Korinto, tanàna nanjakan’ny fitondran-tena maloto. Natao bory kely koa ny volon’ny mpanompovavy. Izany fanao izany angamba no nalain’i Paoly ho ohatra rehefa nanazava izy fa nitovy tamin’ny vehivavy nokakasana ny vehivavy kristianina tsy nisaron-doha rehefa nivavaka na naminany (na dia efa lava volo aza izy mba hanaronana ny lohany). Nahamenatra ny hoe vehivavy nosolaina, ary nahamenatra toy izany koa ny hoe vehivavy tsy manaja an’izay voatendrin’Andriamanitra ho lohany.—1Ko 11:3-10.