Solemita
(Sôlemita).
Teny niantsoana an’ilay ankizivavy tsara tarehy avy any ambanivohitra, resahin’ny Tononkiran’i Solomona (6:13). Mety ho avy any amin’ny tanànan’i Sonema (Solam ankehitriny) izy matoa nantsoina hoe Solemita. (Ampit. 1Mp 1:3.) Manohana an’izany ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Sora-tanana Vaticanus No. 1209) satria miantso azy hoe “Sonamita.” Nantsoin’i Eusèbe mpanoratra hoe Solema koa i Sonema.—Onomasticon, 158, 11.