Solifara
Singan-javatra miloko mavo, mifangaro solfata indraindray, ary tsy anisan’ny metaly. Vao hafanaina 113° C fotsiny izy io dia efa miempo. Mora mirehitra izy io (manga tanora ny lelafony) sady mamoaka roanoksidana solifara, izay mahery fofona.
Ny fitantarana momba ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora tamin’ny alalan’ny afo sy solifara, no miresaka voalohany momba ny solifara. (Ge 19:24; Lk 17:29) Be dia be ny solifara any amin’ny faritra atsimon’ny Ranomasina Maty ankehitriny. Misy àry mihevitra fa mety ho avy tamin’ny volkano no namoahan’i Jehovah solifara handringanana ny ratsy fanahy tao amin’ireo tanàna ireo.
Nandrarahana solifara, hono, ny toerana fandoroana fako sy fatin’olona tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma (Gehena), teo ivelan’ny mandan’i Jerosalema fahiny, mba hirehitra foana ny afo.
Matetika ny Baiboly no milaza fa mora mirehitra ny solifara, taorian’ny nitantarany ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora (1919 T.K.). (Is 30:33; 34:9; Ap 9:17, 18) Ilazana fandravana tanteraka izy io. (De 29:22, 23; Jb 18:15) Miaraka foana ny hoe “afo” sy “solifara” rehefa misy resaka fandringanana. (Sl 11:6; Ezk 38:22; Ap 14:9-11) ‘Hatsipy velona ao amin’ny farihy afo arehitry ny solifara’ ny Devoly, izany hoe ho ringana mandrakizay na hiharan’ny “fahafatesana faharoa.”—Ap 19:20; 20:10; 21:8.