Solila
[Gr.: hedyôsmôn].
Ahitra mahery fofona. Ny hany iresahan’ny Baiboly azy io dia ilay momba ny mpanora-dalàna sy Fariseo izay sarotiny erỳ nanome ny ampahafolon’izy io, nefa tsy niraharaha an’izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna. (Mt 23:23; Lk 11:42) Misy solila isan-karazany any Palestina sy Syria, fa ny soliladia (Mentha longifolia) no tena betsaka. Toa tsy karazana solila iray fotsiny koa fa maromaro ilay hoe hedyôsmôn (gr.; a.b.t.: manitra).
Efajoro ny tahon’ny solila, ary misy raviny iray avy ny andaniny roa. Fotsy somary manga na mavokely ny voninkazony kely, izay manao faribolana maromaro manodidina ny tahony, na maniry manaraka ny tendrony lava. Misy menaka manitra ao amin’ny raviny sy tahony, ka efa ela ny solila no natao fanafody sy laron-tsakafo.