Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sonema

Sonema

(Sônèma).

Tanàna tao amin’ny tanin’i Isakara (Js 19:17, 18), akaikin’i Jezirela sy ny Tendrombohitra Gilboa. (1Sa 28:4) Misy milaza an’i Sonema ho i Solam ankehitriny (Sonema), eo amin’ny ilany atsimoandrefana amin’ny tehezan’i Jebel Dahi (Givʽat Ha-More). Tazana avy eo ny Lemaka Ivan’i Jezirela. Tokotokony ho 5 km any avaratry ny tanàna kelin’i Zerʽin (Tel Yizreʽel), izay efa lao, no misy an’i Solam, ary 8 km eo ho eo any avaratry ny sisiny andrefan’ny Tendrombohitra Gilboa.

Tany Sonema no nitoby ny Filistinina talohan’ilay ady nahafaty an’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 28:4) Avy any Sonema i Abisaga (“Sonemita”), ilay zazavavy tsara tarehy nikarakara an’i Davida Mpanjaka, tamin’izy efa antitra. (1Mp 1:3, 4) Tany koa no nisy an’ilay mpivady nahay nandray vahiny, izay fivantanan’i Elisa mpaminany.​—2Mp 4:8.