Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sonemita

Sonemita

(Sônemita) [An’i Sonema].

Mponina tany Sonema. Nolazaina hoe “Sonemita” i Abisaga, ilay tovovavy nasaina nikarakara an’i Davida, izay efa antitra.​—1Mp 1:3, 4, 15; 2:17, 21, 22; jereo ABISAGA.

Nisy vehivavy manan-kaja tsy voalaza anarana tao Sonema. Nanome sakafo sy trano ivantanana foana ho an’i Elisa mpaminany izy. Novalian-tsoa izy satria tsara fanahy, ka nahazo zanakalahy. Maty anefa ilay zaza taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nankany amin’ny Tendrombohitra Karmela (tany amin’ny 30 km teo ho eo) ilay vehivavy mba hitady an’i Elisa. Hoy izy nilaza ny fahoriany, rehefa nahita an’i Elisa: “Izaho angaha nangataka zanakalahy tamin’ny alalan’ny tompoko? Tsy efa nilaza ve aho hoe: ‘Aza mampanantena tsy misy’?” Niara-niverina taminy ilay mpaminany, ary nivavaka tamin’i Jehovah, ka velona indray ilay zaza.​—2Mp 4:8-37.

Nilazan’i Elisa ravehivavy fa hisy mosary. Nivahiny fito taona tany amin’ny Filistinina àry izy sy ny ankohonany (azo inoana fa efa maty ny vadiny tamin’izay). Nody an-tanindrazana izy rehefa nifarana ny mosary, kanjo efa nisy naka ny fananany. Naverina tamin’ilay vehivavy anefa ny fananany rehetra, rehefa fantatry ny mpanjaka ny nataon’i Elisa taminy.​—2Mp 8:1-6.