Sonia
Marika ataon’ny olona iray ho famantarana azy. Ny hoe tav, litera farany amin’ny abidy hebreo, no nadika hoe “sonia.” (Nadika koa hoe “marika” ny hoe tav; Ezk 9:4, 6.) Mety ho marika nataon’ilay olona tamin’ny peratra fanombohan-kaseny na tamin’ny tombo-kase varingarina ny soniany, na marika manokana nosoratany na nofidiny hamantarana azy.
Nilaza ireo telo lahy mody niseho ho naman’i Joba fa nijaly, hono, izy satria nanota tamin’Andriamanitra. Tsy nanaiky ny tenany ho nanan-tsiny anefa izy. Niezaka nanome porofo sy nandresy lahatra azy ireo izy, ka niantso an’Andriamanitra mba hihaino ny fitarainany sy hamaly azy. Hoy izy: “Enga anie ka hisy hihaino ahy, ary hamaly an’izay efa nataoko sonia ilay Mahery Indrindra! Enga anie ka hanoratra ny fiampangany ilay miady amiko eo amin’ny fitsarana!” (Jb 31:35) Te hitondra an’ilay raharaha teo anatrehan’Andriamanitra i Joba, ary nasiany sonia ny fitarainany ho fanamarinana ny teniny.