Sopima
(Sopìma).
1. Taranak’i Benjamina, angamba avy tamin’i Bela sy avy tamin’i Iry. (1Ta 7:6, 7, 12) Matoa hita ao amin’ny tetirazan’i Manase ao amin’ny 1 Tantara 7:15 ny anaran’i Sopima, dia nisy fifandraisana manokana teo amin’ireo foko roa ireo, na dia tsy fahita loatra aza izany. Antsoina hoe Mopima i Sopima ao amin’ny Genesisy 46:21. Ny mety ho anton’izany angamba dia satria mitovitovy ny litera hebreo fahiny mifanitsy amin’ny s sy m. Fomba hafa anoratana ny anarany koa ny hoe Sefofama (Sefofana), ary hita avy amin’izany fa izy no razamben’ny fianakaviamben’ny Sefofamita teo amin’ny fokon’i Benjamina.—No 26:39; 1Ta 8:5.
2. Lehilahy voatendry hiambina ny vavahady andrefana tao amin’ny toerana masina. (1Ta 26:16) Tsara homarihina fa mitovy ny litera hebreo telo farany ao amin’ny hoe (Shoppim) sy ny litera hebreo telo farany amin’ilay teny eo alohany (beht haasoppim). Heverin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly àry fa mety ho nanao fahadisoana ireo mpanao dika soratra: Mety ho voadikan’izy ireo tsy nahy indroa ireo soratra nitovy fa tsy hoe nanoratra ny anaran’i Sopima izy ireo.—Ampit. 1Ta 26:10, 11.