Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sora

Sora

(Sòra) [Manda].

Anarana faritra, na tandavan-tendrombohitra, na tanàna na tanàna maromaro voaro mafy ho fiarovana sisin-tany. Voalaza fa “tandrifin’i Ejipta” no nisy azy io, teo amin’ny ilany atsinanana tamin’ny sisin-tanin’i Ejipta na teo atsinanan’i Ejipta. Toa tany amin’ny faritra avaratrandrefan’ny Saikinosin’i Sinay no nisy an’i Sora. (Ge 25:18) Rehefa avy niampita ny Ranomasina Mena ny Israely, dia nentin’i Mosesy niala teo amoron-dranomasina mba hankany “an-tany efitr’i Sora.”​—Ek 15:22.

Efa nisy resaka momba an’i Sora talohan’izay: Teo amin’ny loharano iray “teo amin’ny lalana mankany Sora” ny anjelin’i Jehovah no niresaka tamin’i Hagara. Toa nandositra ho any Ejipta io Ejipsianina mpanompovavin’i Abrahama io tamin’izay. (Ge 16:7) Teo anelanelan’i Sora sy Kadesy (Kadesi-barnea, atsimon’i Beri-sheba any amin’ny faritr’i Negeba) i Abrahama no nonina tatỳ aoriana, rehefa avy niala tany Hebrona. (Ge 13:18) Nonina kelikely tao Gerara, tanàna filistinina tany avaratr’i Kadesy koa anefa izy. (Ge 20:1) Nivezivezy hatrany “Havila teny akaikin’i Sora” ireo Ismaelita mponina an-tany efitra. (Ge 25:18) Tonga hatrany Sora i Saoly Mpanjaka, tamin’izy nandresy an’ireo Amalekita. Mbola nonina tany amin’iny faritra iny anefa ny Amalekita sy ny Gesorita ary ny Girzita tamin’ny andron’i Davida.​—1Sa 15:7; 27:8.

Toa toerana iray fa tsy faritra no resahin’ny andinin-teny sasany amin’ireo. Raha marina izany, dia mety ho tany efitra teny akaikin’ny tanàna iray na toerana iray nantsoina hoe Sora ilay ‘tany efitr’i Sora’, izay hita indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly.​—Ek 15:22; ampit. ‘tany efitr’i Damaskosy’ ao amin’ny 1Mp 19:15; na ny tany efitr’i Zifa, 1Sa 23:14.

Midika hoe “Manda” ny hoe Sora, ka misy milaza azy io ho ilay manda fiarovana tranainy eo amin’ny Andilan-tanin’i Suez, izay voalazan’ny soratra tranainy ejipsianina fa efa teo hatramin’ny fotoana niforonan’ilay firenena. Misy indray mihevitra an’i Sora ho ireo tanàna maromaro voaro mafy eo amin’ny sisin-tanin’i Ejipta izay tandrifin’i Saikinosin’i Sinay. Toerana tany atsinanan’ny Ranomasina Mena anefa ilay noresahin’ny Eksodosy 15:22, izany hoe tany ivelan’ny sisin-tanin’i Ejipta. Izany no mahatonga ny olona sasany hilaza an’i Sora (Manda) ho ny ilany avaratrandrefana amin’ilay tandavan-tendrombohitra any amin’ny Saikinosin’i Sinay. Toy ny manda na fefy ny hantsana fotsifotsin’io tandavan-tendrombohitra io rehefa tazanina avy any amin’ny Hoalan’i Suez, any Ejipta. Mety ho nisy toerana na tanàna nantsoina hoe Sora teo amin’ilay tandavan-tendrombohitra, na teo am-pototr’izy io, angamba tanàna arabo farany alohan’ny hiampitana ny sisin-tanin’i Ejipta. Mbola miandry porofo hafa anefa mba hahafantarana hoe taiza marina i Sora.