Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soratra Grika Kristianina

Soratra Grika Kristianina

Tsy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika) natao talohan’ny andro kristianina, fa ilay ampahany amin’ny Baiboly antsoina matetika hoe Testamenta Vaovao.​—Jereo BAIBOLY.

Misy 27 ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Grika Kristianina. Lehilahy valo no nanoratra azy ireo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy: Matio, Marka, Lioka, Jaona, Paoly, Jakoba, Petera, ary Joda. Ny telo ihany no azo antoka hoe niaraka tamin’i Jesosy nandritra ny fanompoany, dia ny apostoly Matio sy Jaona ary Petera. Mety ho i Marka ilay “tovolahy” nanaraka an’i Jesosy tamin’izy nosamborina. (Mr 14:51, 52) Niaraka tamin’ireo apostoly i Jakoba sy Joda ary angamba i Marka tamin’ilay fivoriana tamin’ny Pentekosta. (As 1:13-15; 2:1) Tatỳ aoriana kosa vao niova ho Kristianina i Paoly. Nifandray akaiky tamin’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema ireo mpanoratra rehetra ireo.

Nosoratana tamin’ny teny grika koine, fiteny iraisam-pirenena tamin’izany, ny boky 26. Ny bokin’i Matio ihany no nosoratana tamin’ny teny hebreo aloha, vao nadika tamin’ny teny grika.​—Jereo MATIO, FILAZANTSARAN’I.

Tsy kisendrasendra no nahatonga an’ireo Kristianina jiosy (Ro 3:1, 2) nahazo ny herin’ny fanahy masina ireo hanoratra amin’ny teny grika. Tsy natao ho an’olona iray na vitsivitsy mantsy ireny taratasy ireny, fa natao hovakin’ny fiangonana rehetra sy hianarany. (Kl 4:16; 1Te 5:27; 2Pe 3:15, 16) Nandidy an’ireo mpanoratra i Jesosy mba hampiely ny vaovao tsara sy ny fampianarany hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany, izay tsy ampiasana teny hebreo sy latinina. (Mt 28:19; As 1:8) Nihamaro koa ny tsy Jiosy lasa anisan’ny fiangonana, na dia tany amin’ireo faritany akaikin’i Palestina aza. Naka teny matetika tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo koa ny mpanoratra ny Soratra Grika.

Toy izao ny filaharan’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, arakaraka ny taona nanoratana azy: Matio, 41; 1 sy 2 Tesalonianina, 50-51; Galatianina, 50-52; 1 sy 2 Korintianina, 55; Romanina, 56; Lioka, 56-58; Efesianina, Kolosianina, Filemona, Filipianina, 60-61; Hebreo sy Asan’ny Apostoly, 61; Jakoba, talohan’ny 62; Marka, 60-65; 1 Timoty sy Titosy, 61-64; 1 Petera, 62-64; 2 Petera, 64; 2 Timoty sy Joda, 65; Apokalypsy, 96; Jaona sy 1, 2, 3 Jaona, 98. Tsy ampy 60 taona no nanoratana an’ireo boky ireo. Fohy ihany izany raha oharina amin’ireo efa ho 1 100 taona nanoratana ny Soratra Hebreo manontolo.

Natambatra ho boky iray izy ireo tatỳ aoriana, ka lasa natao hoe ny Soratra Grika Kristianina. Tsy nalahatra arakaraka ny fotoana nanoratana azy anefa izy ireo, fa arakaraka ny foto-kevitra resahiny: 1) Ireo boky ara-tantara dimy voalohany, dia ny Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly, 2) ireo taratasy 21, ary 3) ny Apokalypsy.

Samy mitantara ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany ireo Filazantsara (na “vaovao tsara”) efatra nosoratan’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona, na dia samy mahaleo tena aza. Misy miantso an’ireo Filazantsara telo voalohany hoe synoptika (midika hoe “mitovy fijery”) satria mitovitovy ny fitantarany ny fanompoan’i Jesosy, raha oharina amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Hita taratra ao amin’ny Filazantsara tsirairay ihany anefa ny maha izy ny mpanoratra. Milaza tsipiriany tsy resahin’ireo Filazantsara telo ny Filazantsaran’i Jaona. Manarakaraka azy io ny Asan’ny Apostoly, izay mitantara ny niforonan’ny fiangonana kristianina tamin’ny Pentekosta sy izay nitranga nandritra ny efa ho 30 taona, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy.

Ireo taratasy 21 manaraka kosa miresaka momba ny fomba fiasan’ny fiangonana, ny olana hitany, ny fitoriana nataony, ary ireo tombontsoa sy fanantenana nananany. I Paoly mihitsy no nilaza fa nanoratra taratasy 13. Eken’ny ankamaroan’ny olona koa fa izy no nanoratra ny bokin’ny Hebreo. Ny taratasin’i Jakoba, Petera, Jaona, ary Joda no manarakaraka an’ireo, ary nosoratana ho an’ny fiangonana rehetra ny ankamaroany. Ny Apokalypsy no boky farany ao amin’ny Baiboly, ary voatantara ao ny fisehoan-javatra lehibe amin’ny hoavy.

Impiry ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina no naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo?

Imbetsaka izy ireo no naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo. In-320, ohatra, ny Soratra Grika Kristianina ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no naka teny mivantana tao. Mahatratra 890 eo ho eo kosa ny teny rehetra nalaina mivantana na an-kolaka tao amin’ny Soratra Hebreo, araka ny lisitra nataon’i Westcott sy Hort. (Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Grika Tany Am-boalohany, Graz, 1974, Boky I, p. 581-595) Samy naka ohatra tao amin’ny Soratra Hebreo ny Kristianina rehetra nanoratra Baiboly. (1Ko 10:11) Azo antoka fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah koa izy ireo rehefa naka teny tao. Niaiky izy ireo fa avy amin’ny herin’ny fanahy masina ny Soratra Hebreo, ary mahasoa mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.​—2Ti 3:16, 17; 2Pe 1:20, 21.

Naka teny tao amin’izay efa voasoratra taloha àry ny Kristianina mpanoratra Baiboly. Toy izany koa fa naka teny imbetsaka tao amin’ny Soratra Grika ireo mpanoratra tsy nahazo ny herin’ny fanahy masina, rehefa maty ireo apostoly.

Miisa 13 000 mahery ny taratasy papyrus sy sora-tanana natao teo amin’ny hodi-biby malefaka misy ny Soratra Grika manontolo na ny ampahany aminy. Natao tamin’ny taonjato faha-2 ka hatramin’ny faha-16 izy ireny, ary azo anaovana fampitahana. Misy 5000 eo ho eo no amin’ny teny grika, fa amin’ny fiteny hafa kosa ny ambiny. Maherin’ny 2000 ireo dika mitovy amin’ny sora-tanana fahiny misy ny Filazantsara, ary maherin’ny 700 ireo mirakitra ny taratasin’i Paoly. Natao tamin’ny taonjato faharoa ireo dika mitovy ireo, izany hoe taoriana kelin’ny nanoratana an’ireo boky sy taratasy voalohany, izay tsy ananantsika intsony ankehitriny. Maro be ny sora-tanana ananantsika, ka afaka manatsara hatrany ny Soratra Grika adikany ireo manam-pahaizana momba ny teny grika. Porofoin’ireny sora-tanana ireny koa fa azo itokisana sy tsy niova ny Soratra Grika ao amin’ny Baibolintsika.​—Jereo BAIBOLY SORA-TANANA.

Hoy ny manam-pahaizana iray rehefa nahita an’ireo sora-tanana maro be ireo: “Tsy misy miova ny ankamaroan’ireo teny ao amin’ny Testamenta Vaovao ka tsy ilaina ampitahaina na tsikeraina, fa hatao dika mitovy fotsiny. ... Raha tsy ifantohana ireo tsy fitoviana madinidinika, toy ny teny sasany nafindra toerana, mpanoritra nesorina na nampiana eo alohan’ny anaran-tsamirery, ary ny toy izany, dia zara raha ny ampaharivon’ny Testamenta Vaovao no hitanay hoe mampisalasala.” (Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Grika Tany Am-boalohany, Boky I, p. 561) Hoy koa i Jack Finegan: “Mahavariana fa kely fotsiny ny elanelan’ny fotoana nanoratana an’ireo sora-tanana tranainy indrindra misy ny Testamenta Vaovao, sy ny nanoratana an’ireo boky sy taratasy voalohany. ... Ny sora-tanana tranainy indrindra ananantsika misy ny ankamaroan’ireo asa soratra fahiny hafa kosa anefa, efa teo anelanelan’ny taonjato fahasivy sy fahiraika ambin’ny folo A.K. vao natao. ... Azo itokisana kokoa noho ny boky fahiny hafa rehetra àry ny Testamenta Vaovao. Ny teny nampiasain’ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao ho an’ny olona tamin’ny androny ihany no mbola tonga hatratỳ amintsika, taonjato maro atỳ aoriana. Zara raha niova izy ireny, sady tsy nihena mihitsy ny heriny.”​—Fanazavan’ny Tantara Fahiny, 1959, p. 449, 450.

Tena sarobidy ny Soratra Grika Kristianina satria anisan’ny Tenin’Andriamanitra. Efatra ny boky mitantara ny fanompoan’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra, anisan’izany ny niaviany, ny fampianarany, ny modely nomeny, ny fahafatesany ho sorona, ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Ilain’ny tena Kristianina ankehitriny koa ny tantaran’ny niforonan’ny fiangonana kristianina, sy ny nitomboany haingana taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina, ary ireo olana natrehiny sy ny fomba namahana izany. Eo koa ireo boky nosoratana ho an’olona iray na vitsivitsy, na nosoratana noho ny toe-javatra na antony na zava-kendrena manokana. Lasa boky iray mirindra tsara ireo rehetra ireo rehefa natambatra, ary ao daholo ny tsipiriany ilaina. Izy ireo no mameno an’ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly. Ny Israely ara-panahy na ny fiangonan’Andriamanitra no tena mila ny Soratra Grika sy liana aminy ary voakasik’izay voalaza ao, nefa ilain’izay rehetra te hahazo sitraka amin’Andriamanitra koa izy io.

Jereo ny anaran’ny boky tsirairay mba hahalalana ny votoatin’ireo boky 27, ny mpanoratra azy, ny fotoana nanoratana azy, ary ny porofo fa marina ny voalazan’izy ireo.