Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soratra Hebreo

Soratra Hebreo

Boky 39 manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Malakia, araka ny filaharany ankehitriny. Ampahany lehibe amin’ny Baiboly izy ireo.

Azo zaraina telo ny Soratra Hebreo araka ny hita ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly: 1) Tantara: Genesisy hatramin’ny Estera, boky 17; 2) Tononkalo: Joba hatramin’ny Tononkiran’i Solomona, boky 5; 3) Faminaniana: Isaia hatramin’ny Malakia, boky 17. Fizarana ankapobe ihany ireo satria misy tononkalo (Ge 2:23; 4:23, 24; 9:25-27; Ek 15:1-19, 21; Mpts 5) sy faminaniana (Ge 3:15; 22:15-18; 2Sa 7:11-16) ao amin’ireo tantara; misy tantara (Jb 1:1–2:13; 42:7-17) sy faminaniana (Sl 2:1-9; 110:1-7) ao amin’ireo tononkalo; ary misy tantara sy tononkalo ao amin’ireo faminaniana (Is 7:1, 2; Je 37:11–39:14; 40:7–43:7; Ft 1:1–5:22).

Boky 24 na 22 ihany izy rehetra ireo amin’ny Jiosy satria nisy natambany, ary novany toy izao ny filaharany: Voalohany, ny Lalàna (heb.: Tôhrah), antsoina koa hoe Boky Dimy Voalohany, ary ahitana ny 1) Genesisy, 2) Eksodosy, 3) Levitikosy, 4) Nomery, ary 5) Deoteronomia. (Jereo BOKY DIMY VOALOHANY.) Faharoa, ny Mpaminany (heb.: Neviʼim) izay mizara roa: Ny “Mpaminany Fahiny” ahitana ny 6) Josoa, 7) Mpitsara, 8) Samoela (boky iray ny Voalohany sy Faharoa), 9) Mpanjaka (boky iray ny Voalohany sy Faharoa), sy ny “Mpaminany Tatỳ Aoriana” izay misy an’ireo Mpaminany “Lehibe” toa an’i 10) Isaia, 11) Jeremia ary 12) Ezekiela, sy ireo Mpaminany “Madinika” 12 (natambatra ho boky iray ny Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria, ary Malakia). Fahatelo, ny Asa Soratra (heb.: Ketovim; na Hagiografy) izay ahitana ny 14) Salamo, 15) Ohabolana, ary 16) Joba, sy ireo horonana dimy mitokana dia ny 17) Tononkiran’i Solomona, 18) Rota, 19) Fitomaniana, 20) Mpitoriteny, ary 21) Estera. Manarakaraka an’ireo ny 22) Daniela, 23) Ezra-Nehemia (mitambatra) ary 24) Tantara (boky iray ny Voalohany sy Faharoa). Natambatra tamin’ny Mpitsara ny Rota indraindray, ary tamin’ny Jeremia ny Fitomaniana, ka lasa 22 ny isan’ireo boky, mitovy amin’ny isan’ny litera amin’ny abidy hebreo, na dia tsy natambatra toy izany aza ireo boky ireo ao amin’ny Baiboly hebreo ankehitriny.

Tsy milahatra hoatran’io foana akory ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo ao anatin’ireo lisitra voalohany. Horonana samy hafa mantsy ny boky tsirairay. Hoy ny Talmoda babylonianina (Bava Batra 14b): “Nampianatra ny rabinay hoe toy izao ny filaharan’ireo Mpaminany: Josoa, Mpitsara, Samoela, Mpanjaka, Jeremia, Ezekiela, Isaia, ary ny Mpaminany Madinika Roa Ambin’ny Folo.” (Nadikan’i M. Simon sy I. Slotki) Izany angamba no antony ahitana ny Jeremia alohan’ny Isaia, ao amin’ny sora-tanana hebreo maromaro nosoratana tany Alemaina sy Frantsa.

Mpanoratra. Jiosy anisan’ilay firenena “nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra” ireo nanoratra sy nanambatra ny Soratra Hebreo manontolo. (Ro 3:1, 2) Nosoratana tamin’ny teny hebreo ny ankamaroany, afa-tsy ireto ampahany tamin’ny teny aramianina ireto: Genesisy 31:47; Ezra 4:8–6:18 sy 7:12-26; Jeremia 10:11; Daniela 2:4b–7:28. Nisy teny aramianina koa tao amin’ny Joba, Salamo sasany, Tononkiran’i Solomona, Jona, Estera, ary ny ampahany tamin’ny teny hebreo tao amin’ny Daniela. Nisy teny avy tamin’ny teny aramianina koa tao amin’ny Ezekiela.

I Mosesy no nanoratra sy nanambatra ireo boky dimy voalohany. Nisy 31, fara fahakeliny, ireo nanoratra sy nanambatra boky taoriany, anisan’izany i Josoa, Samoela, Davida, Solomona, Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela, Ezra, ary Nehemia. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-16 ka hatramin’ny faha-5 T.K. izy ireo no nanoratra, nandritra ny 1 100 taona mahery. Nisy tamin’izy ireo mpiandry ondry, mpanao dika soratra, governora, mpanjaka, mpaminany ary mpisorona.

Nahita maso ny zavatra nosoratany ny mpanoratra sasany. Nitantara ny fihaonany tamin’i Farao, ohatra, i Mosesy. (Ek 5:1–12:32) Nisy indray nikaroka tao anatin’ny bokin-tantara fahiny ka nandika ampahany avy tao, rehefa nanoratra tetirazana, ohatra. (1Ta 1-9) Zavatra maro kosa no tsy fantatr’olombelona fa nampahafantarin’Andriamanitra, toy ny fivorian’ireo anjely tany an-danitra, na ireo faminaniana. Mirindra tsara anefa ny Soratra Hebreo manontolo, na dia nosoratan’ny olona maro nanana fari-piainana samy hafa aza ary naharitra ela ny fanoratana azy. Porofoin’izany rehetra izany fa ‘avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny [mpanoratra Baiboly], araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’​—2Pe 1:21.

Boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo. Tsy arakaraka ny taona nanoratana azy ny filaharan’ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Baiboly ankehitriny. Velona 200 taona teo ho eo talohan’i Jeremia sy Ezekiela ary Daniela, ohatra, i Joela sy Amosa ary Jona. Tsy voatery nitondra ny anaran’ny mpanoratra azy koa ny boky iray. Toa i Mosesy, ohatra, no nanoratra ny bokin’i Joba, ary i Samoela no nanoratra ny bokin’i Rota. Ahitana ny fotoana nanoratana ny boky tsirairay sy ny mpanoratra azy ilay hoe “Filaharan’ireo boky araka ny fotoana nanoratana azy”, ao amin’ny lahatsoratra hoe BAIBOLY. Jereo ny lahatsoratra momba ny boky tsirairay mba hahitana izay raketin’ilay boky, ny maha zava-dehibe azy, ny porofo fa anisan’ny Baiboly izy, ary ny fanazavana hafa.

Efa ela no feno ny lisitr’ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo, tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany. Porofon’izany izay nolazainy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nekeny, ohatra, fa nozaraina telo ny Soratra Hebreo. Hoy izy: ‘Izay rehetra nosoratana ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.’ (Lk 24:44) Noresahin’ny mpianany koa ny momba ny “Lalàna sy ny Mpaminany”, “ny Soratra Masina”, ary ‘ny lalàn’i Mosesy sy ny Mpaminany.’​—As 13:15; 18:24; 28:23; Ro 1:2; 2Ti 3:15; jereo BOKY EKENA HO ANISAN’NY SORATRA MASINA.

Tsy nisy boky apokrifa koa nampidirina tao amin’ny Soratra Hebreo. Voaro tsara mantsy ny lisitr’ireo boky nekena ho anisan’ny Soratra Hebreo nanomboka tamin’ny andron’i Ezra sy Malakia tamin’ny taonjato fahadimy T.K., ka tsy nisy boky nampiahiahy tafiditra tao. (Jereo APOKRIFA.) Nitandrina be koa ireo Soferima nanao dika mitovy an’ireo sora-tanana, sy ireo Masoreta nandimby azy.

Tsy nisy zanatsoratra sy mari-piatoana na toko sy andininy tao amin’ny Soratra Hebreo voalohany. Efa tamin’ny taona 500 tany ho any vao nanisy teboka solon’ny zanatsoratra sy mari-tsindrimpeo ny Masoreta (mpanao dika soratra nitandrina be koa), mba hanampiana ny mpamaky hahay hanonona an’ireo teny.

Narovana sy nadika. Nitandrina be ny Soferima jiosy (mpanora-dalàna) mba tsy hisy diso ireo dika mitovy nataony. Nisy fanitsiana nataony anefa rehefa noheveriny hoe tsy nanaja an’Andriamanitra na ny solontenany ilay soratra tany am-boalohany. In-140 mahery no novany hoe “Tompo Fara Tampony” na “Andriamanitra” ny Litera Efatra (renisoratra nanoratana ny anarana hoe Jehovah).​—Jereo Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1853-1854.

Tsy ananantsika intsony ny sora-tanana voalohany amin’ny Soratra Hebreo. Misy 6000 anefa ireo dika mitovy aminy izay misy ny Soratra Hebreo manontolo na ampahany. Dika mitovy natao talohan’ny andro kristianina ny Papyrus Nash izay misy ampahany kely amin’ny Deoteronomia, sy ny ankamaroan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Nadika tamin’ny fiteny maro koa ny Soratra Hebreo na ny ampahany aminy, talohan’ny andro kristianina. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no dikan-teny voalohany, natomboka tamin’ny 280 T.K. tany ho any. Ny Soratra Hebreo nadikan’i Jérôme tamin’ny teny latinina koa ny ao amin’ny Vulgate. Misy ny Kôdeksa Leningrad B 19A na ny sora-tanana tranainy indrindra amin’ny Soratra Hebreo manontolo ny Biblia Hebraica nataon’i Rudolf Kittel. Ny fanontana fahafito sy fahavalo ary fahasivy amin’izy io no niaingan’ireo nandika ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy).

Manakiana mafy ny Soratra Hebreo ny mpitsikera Baiboly ka milaza fa noforomporonina fotsiny na angano ny voalaza ao, fa tsy marina ara-tantara. Misy boky, hono, tsy nosoratan’olona iray monja satria samy hafa ny fomba fanoratra ao amin’ilay izy. Tsy mitombina anefa izany satria misy olona mahay mamorona tononkalo, nefa mahay manoratra tantara koa. Tsy mitovy koa ny fomba fanoratry ny mpahay lalàna rehefa manoratra taratasy ofisialy na manoratra ny zavatra niainany izy. Tsy misaina tsara àry ny mpitsikera milaza fa hafa no nanoratra ny ampahany antsoiny hoe “J” izay misy ny anarana hoe Jehovah, ary hafa no nanoratra ny ampahany ataony hoe “E” izay ahitana ny anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra” (heb.: ʼElôhim).

Nilaza i K. Kitchen, tao amin’ny Oniversiten’i Liverpool, fa tsy misy porofo ao amin’ireo asa soratra fahiny tany Atsinanana hoe olona maro no nanoratra ny boky lazain’ny Baiboly fa nosoratan’ny olona iray. Tsy hitombina mihitsy ny hevitr’ireo mpitsikera, hoy izy, raha ampiharina amin’ny asa soratra fahiny hafa izay nosoratana tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly.​—Atsinanana Fahiny sy ny Testamenta Taloha, 1968, p. 115.

Zava-dehibe. Tena ilaina ny Soratra Hebreo, satria manampy antsika hahazo ny Soratra Grika Kristianina ireo lalàna sy tantara ary faminaniana raketiny. (Lk 24:27, 44) “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika.” “Nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” (Ro 15:4; 1Ko 10:11) Tsy mahagaga àry raha niresaka mivantana sy an-kolaka andininy ao amin’ny Soratra Hebreo ireo Kristianina mpanoratra Baiboly. Namerina sy nanazava foto-kevitra sy fampanantenana maro hita ao izy ireo. Naka teny mivantana in-320 tao amin’ny Soratra Hebreo ny Soratra Grika Kristianina ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mahatratra 890 eo ho eo ny teny rehetra nalaina mivantana na an-kolaka tao amin’ny Soratra Hebreo, araka ny lisitra nataon’i Westcott sy Hort.

Tsy ho fantatsika ny tsipiriany maro momba ireto, raha tsy nisy ny Soratra Hebreo: Ny namoronana ny olona, ny nahatonga ny fahafatesana, ilay fampanantenana tany Edena hoe hotorotoroin’ny taranaky ny vehivavy ny lohan’ny Menarana, ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, nahoana no masina ny ra, ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Abrahama, ny niadian’i Jehovah ho an’ny vahoakany, ary ny tantaran’ny fanjakan’ny Israely (mifanitsy amin’io ny Fanjakan’Andriamanitra).