Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soroka

Soroka

Faritra eo amin’ny vatan’ny olona na biby, eo anelanelan’ny foto-tenda sy ny foto-tsandry. Mety hidika hoe fitondrana enta-mavesatra na famitana andraikitra koa ny hoe soroka.

Fanao ny nitondra enta-mavesatra teo an-tsoroka fahiny, toy ny ankehitriny ihany. (Ge 21:14; Ek 12:34) Tokony holanjain’ny Levita eo amin’ny sorony, ohatra, ny Vata misy ny fifanekena, fa tsy hoentina amin’ny sarety. (1Ta 15:15; Js 3:14, 15; 2Sa 6:3, 6-9, 13) Mety hidika hoe famoretana sy fanandevozana ny hoe enta-mavesatra eo an-tsoroka. (Sl 81:5, 6; Is 10:27; 14:25; Mt 23:4) Nilaza ny faminaniana fa “hanaiky hitondra entana eo an-tsorony” ny fokon’i Isakara. (Ge 49:14, 15) Nasehon’ny tantaran’ny Israely fa vonona handray andraikitra sy hiasa mafy tokoa io foko io. Avy tamin’ny fokon’i Isakara, ohatra, ireo mpiady maro be nahery fo nanampy an’i Baraka Mpitsara. I Tola no mpitsara taorian’izay, ary avy tamin’io foko io koa izy sy ireo mpiady hendry sy be herim-po tamin’ny andron’i Davida.​—Mpts 5:13, 15; 10:1, 2; 1Ta 7:1-5; 12:23, 32.

Voalaza fa eo an-tsoroka no apetraka ny fahefana na andraikitra. Naminany, ohatra, i Isaia fa apetraka eo an-tsorok’i Jesosy Kristy ny fahefan’andriana. (Is 9:6) Nilaza koa i Isaia fa hataon’Andriamanitra ‘eo an-tsorok’i Eliakima ny lakilen’ny ankohonan’i Davida.’ Midika izany fa i Eliakima no ho mpiandraikitra ny tranon’i Davida fa tsy i Sebna intsony, satria nivadika i Sebna. Andraikitra sy fahefana ny hoe lakile voalaza eo. Mety hisy hifandraisany amin’ny fanomezana fahefana an’i Kristy àry io faminaniana io. Homena fahefana hitondra ilay Fanjakana mantsy i Kristy, araka ny fifanekena natao tamin’i Davida. (Is 22:15, 20-22; Lk 1:31-33; ampit. Ap 3:7.) Tsara homarihina fa nihantona teo amin’ny lamban-tsoroky ny akanjon’ny mpisoronabe ny saron-tratra fitsarana. Sary an’ohatra izany mampiseho an’ireo andraikitra na fahefana eo an-tsorok’i Jesosy Kristy Mpisoronabe.​—Ek 28:6, 7, 12, 22-28; jereo MPISORONABE.

Rehefa nitso-drano an’ireo Israelita i Mosesy, dia hoy izy tamin’ny fokon’i Benjamina: “Aoka ilay malalan’i Jehovah hitoetra tsy hanana ahiahy eo anilany. ... Hitoetra eo anelanelan’ny sorony izy.” (De 33:12) Toa midika izany fa ao amin’ny faritanin’ny fokon’i Benjamina no hisy ny foiben’ny fitondran’ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Davida. Ilay teny hebreo nadika hoe ‘soroka’ eo dia nadika hoe ‘tehezana’ na “ilany” ao amin’ny Josoa 15:8 (TV, DIEM), ka ny tehezan’ny havoana misy an’i Jerosalema no resahina ao. Nadika hoe ‘andaniny’ na ‘ankilany’, na ‘lafiny’ koa io teny hebreo io any amin’ny andininy hafa.​—Ek 27:14, 15; No 34:11; Js 15:10; 1Mp 6:8; Ezk 25:9.

Midika ara-bakiteny hoe manome soroka mikiribiby ny hoe ‘manao be marenina’ na “mafy hatoka”, fa ny tena dikany kosa dia hoe manohitra ny torohevitr’Andriamanitra sy ny lalàny. (Ne 9:29, f.a.p.; Za 7:11, f.a.p.) Midika hoe manao zavatra amim-piraisan-kina kosa ny hoe manompo “amin’ny soroka iray” ihany.​—Ze 3:9, f.a.p.

Nomena ho an’izay mpisorona nanao sorona ny soroky ny ondrilahy nataon’ny Nazirita fanatitra dorana rehefa voaefany ny voadiny. Anisan’ny anjaran’ilay mpisorona izany.​—No 6:19, 20; jereo koa De 18:3.