Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sosana

Sosana

(Sosàna).

1. Anisan’ny vehivavy maro nanam-pinoana, izay nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy sy ny apostoly 12, tamin’i Jesosy nanompo tany Galilia (taona 31).​—Lk 8:1-3.

2. Tanàna fahiny efa rava eo anelanelan’ny Reniranon’i Karkeh sy ny Reniranon’i Ab-i-Diz, eo amorony atsinanan’i Shaʽor, 350 km eo ho eo atsinanan’i Babylona. Misy dongon-tany efatra lehibe eo amin’ilay toerana. Eo am-pototr’ilay dongon-tany lehibe indrindra no misy ny tanàna kelin’i Sosa ankehitriny. Tao Sosana na tao “an-dapan’i Sosana”, izay faritra voaro mafy tao amin’ilay tanàna, i Daniela mpaminany no nahazo fahitana. (Da 8:2) Tao koa no nitrangan’ilay tantara ao amin’ny bokin’i Estera. (Es 1:2, 5, 6; 2:3, 5, 8, 21; 3:2, 15; 8:14; 9:12-15) Tao i Nehemia mpandroso zava-pisotron’i Artaksersesy (Lava Tanana, zanak’i Ksersesy I) no niasa.​—Ne 1:1; 2:1; jereo ELAMA No. 1; LAPA No. 2; PERSA, PERSIANINA (Ireo renivohitr’i Persa).

Asehon’ny porofo fa renivohitr’i Elama fahiny i Sosana (antsoina koa hoe Sosa; Ezr 4:9). Resin’i Asnapara (Asorobanipala) mpanjakan’i Asyria i Sosana tamin’ny taonjato fahafito T.K., ka nafindrany tany Samaria ny mponina tao. (Ezr 4:9, 10) Tanànan’ny mpanjaka izy io tamin’ny fotoana nitondran’ny Persianina. Resin’i Aleksandra Lehibe anefa i Sosana tamin’ny taonjato fahefatra T.K., ary niharava tsikelikely. Dongon-tany sisa no eo amin’ilay toerana ankehitriny.

Nisy lapa efa rava nofongarin’ireo mpikaroka tao amin’io toerana io. Mety ho ilay lapa natombok’i Dariosy I mpanjaka persianina izy io, izay novitain’ilay zanany atao hoe Ksersesy I (azo inoana fa i Ahasoerosy, vadin’i Estera). Tsara tarehy tokoa ilay izy raha jerena ireo biriky miloko misy verinia sy ireo loha andry vato hita ao. Izao no nosoratan’i Dariosy I momba ny fanorenana azy io: “Ity no lapa hadish naoriko teto Sosa. Avy lavitra ireo zavatra nandravahana azy. Nihady lavaka lalina aho mandra-pahitako vatolampy. Rehefa vita ilay lavaka, dia nandrarahana vatokely natao mifatratra tsara, ka nisy 18 m ny hateviny ary nisy kosa 9 m. Teo ambonin’ireo vatokely ireo ilay lapa no naoriko. Ny Babylonianina no nihady an’ilay lavaka sy namatratra an’ireo vatokely, ary nandatsaka an’ireo biriky tany tao anaty lasitra. Avy any amin’ny tendrombohitra antsoina hoe Libanona ny hazo sedera. Ny Asyrianina no nitondra azy ireny tao Babylona, ary avy tao Babylona indray ireo Karianina sy Ionianina no nitondra azy nanketo Sosa. Avy any Gandara sy Karmania kosa ireo hazo teka. Avy any Sardisy sy Bactriane ny volamena nampiasaina teto. Avy any Sogdiana ireo vatosoa, dia ny vatomanga lapis-lazuli sy ny kornalinina, ary avy any Chorasmie ny torkoazy. Avy any Ejipta ny volafotsy sy varahina. Avy any Ionia ireo zavatra nandravahana ny rindrin’ilay lapa. Avy any Etiopia sy India ary Arachosie ny ivoara. Avy any amin’ny toerana antsoina hoe Abiradosy, any Elama, kosa ireo andry vato. Avy any Ionia sy Sardisy ireo mpipai-bato. Medianina sy Ejipsianina ireo mpanefy volamena. Avy any Sardisy sy Ejipta ny mpametaka an’ireo haingo samy hafa. Babylonianina no (nanisy sary) an’ireo biriky nodorana. Medianina sy Ejipsianina kosa ireo nandravaka ny rindrina. Asa tena tsara no nampanaovina teto Sosa, ary faran’izay tsara tokoa ny asa vita.”​—Tantaran’ny Fanjakana Persianina, nataon’i A. Olmstead, 1948, p. 168; jereo ARKEOLOJIA (Persa).