Spaonjy
Karan’ny biby an-dranomasina sasany. Mafy izy io saingy afaka mitatra sy mifoka ranoka. Be spaonjy ny ilany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane sy ny ranomasina hafa. Toa ongotan’ny mpanao antsitrika fahiny sy ankehitriny amin’ny tanana ny spaonjy amin’ny vato any anaty rano. Maty ilay biby ary mihalò ao anatin’ny karany. Diovina tanteraka avy eo ilay spaonjy ka ny karany sisa tavela.
Be mpividy fahiny ny spaonjy satria afaka mifoka sy mamoaka ranoka. Spaonjy vonton’ny divay marikivy natao teo amin’ny tendron’ny bararata no natolotra an’i Jesosy Kristy, tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana.—