Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Stôika

Stôika

Filozofa niady hevitra tamin’i Paoly tamin’izy nitory tao an-tsenan’i Atena. Somary niova ny fihevitr’izy ireo rehefa nandeha ny fotoana, saingy ninoany hoe ny zavatra sy ny hery (nantsoina hoe fitondran’Andriamanitra, saina, na Andriamanitra tatỳ aoriana) no fototr’izao rehetra izao. Hita maso daholo, hono, ny zava-drehetra, na dia ny toetra tsara sy ratsy aza. Tsy misy, hono, izany Andriamanitra Mpamorona izany, fa ampahany amin’ny andriamanitra iray ny zava-drehetra, ary avy amin’izy io ny fanahin’ny olombelona. Tsy maty ny fanahy rehefa maty ny olona, fa hiara-fongotra amin’izao rehetra izao, hoy ny Stôika sasany. Ho tafakambana indray amin’ilay andriamanitra ilay izy, hoy ny hafa. Tokony hisaina tsara mba hahatakatra sy hanaraka ny lalàna mifehy izao rehetra izao, hono, ny olona te ho sambatra (io no tanjona ambony indrindra). Manao ny tsara, hono, izay ‘miaina mifanaraka amin’ny zavaboary.’ Aminy dia tsy miraharaha fanaintainana, fahafinaretana, harena na fahantrana ny olona tena hendry. Efa voalahatra, hono, ny fiainan’ny olona, ary tsy maninona ny mamono tena raha tsy zaka intsony ny olana.

I Zeno avy any Kitioma, tany Sipra, no nampianatra io filozofia io tamin’ny 300 T.K. tany ho any, rehefa avy niaraka elaela tamin’ny Synìka (filozofa mpanamavo olona). Nampianatra teo amin’ny Stoa Poikile, lala-mitafo miloko tany Atena, izy, ka nantsoina hoe Stôika ny mpianany. Nitarin’i Cléanthe sy Chrysippe ny filozofiany, ary lasa tian’ny Grika sy Romanina, toa an-dry Sénèque, Épictète, ary Marc Aurèle mpanjaka romanina. Nalaza io filozofia io hatramin’ny 300 A.K. tany ho any.

Hoatran’ny Epikoreanina ny Stôika satria tsy nino ny fitsanganan’ny maty nampianarin’ny Kristianina. “Be resaka” i Paoly, hoy ny Stôika, ary “toa mpitory momba ny andriamanitra vaovao”, rehefa nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Naverin’i Paoly teny amin’ny Areopago avy eo ny tenin’ireo Stôika atao hoe Aratus avy any Kilikia (ao amin’ny Phaenomena) sy Cléanthe (ao amin’ny Hira Fiderana An’i Zeosy). Hoy izy: “Fa [Andriamanitra] no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika, araka ny voalazan’ny poety sasany eo aminareo hoe: ‘Fa naterany koa isika.’”​—As 17:17-19, 22, 28.