Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Stadio

Stadio

(stadìo).

Avy amin’ny hoe stadiôn (gr.), ary ilazana refy mira 185 m na ampahavalon’ny maily romanina (1479,5 m io maily io). (Ap 14:20; 21:16) Iray stadio eo ho eo ny halavan’ny kianja atenianina sy romanina. Ny stadio ankehitriny kosa mirefy 201 m. Nadika hoe “fifaninanana” ny hoe stadiôn (stadio) ao amin’ny 1 Korintianina 9:24. Iray stadio mantsy ny halaviran’ny fifaninanana hazakazaka grika. Nirefy 192 m kosa ny kianja fanaovana hazakazaka tamin’ny Lalao Olympika.