Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Stiraksa

Stiraksa

(stiràksa) [heb.: livneh].

Midika hoe “fotsy” ny hoe livneh, ary hazo stiraksa (Styrax officinalis) ilay hoe lobna, teny arabo iray tarika aminy. Hazo madinika avoavo ny stiraksa, izay mahalana no mihoatra ny 6 m. Betsaka azy any Syria (tany i Jakoba no naka tsorakazo stiraksa; Ge 30:37) sy eran’i Palestina. Matetika izy io no hita eny amin’ny tehezan-kavoana maina sy toerana be vato izay itiavan’ny olona ny alokalony. (Ho 4:13) Boribory lavalava ny raviny izay maitso ny atiny fa fotsy toy ny volonondry ny ivohony, ary lava malefaka ny tahony. Hoatran’ny an’ny voasary ny voninkazony fotsy mamerovero.