Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sykara

Sykara

(Sykàra).

Tanàna samaritanina nisy an’ilay fantsakan’i Jakoba. Tany “akaikin’ilay tany nomen’i Jakoba an’i Josefa zanany” no nisy an’i Sykara, tsy lavitra an’i Sekema. (Jn 4:5, 6; ampit. Js 24:32.) “Sykema” fa tsy “Sykara” no hita ao amin’ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka. Ny hoe “Sykara” anefa no ampiasain’ny sora-tanana grika azo antoka indrindra. Misy mpanoratra boky tsy ara-baiboly fahiny milaza fa tsy mitovy i Sekema sy Sykara, misy kosa milaza fa iray ihany ireo. Nisy fikarohana natao tany ambanin’ny tany vao haingana, ka nahatonga olona sasany hanombantombana fa mety ho ny tanàna kelin’i ʽAskar i Sykara. Any amin’ny 700 m any avaratra avaratratsinanan’ilay fantsakan’i Jakoba no misy an’i ʽAskar, ary any amin’ny 1 km eo ho eo any avaratratsinanan’i Sekema.