Syntyke
(Syntykè) [Miaraka Amin’ny Harena (Fahombiazana)].
Vehivavy kristianina tany Filipy noderain’i Paoly satria tsy nivadika. Nanariny mba “hiray saina ao amin’ny Tompo” izy sy Eodia, anabavy kristianina hafa. (Fi 4:2, 3) Toa tsy nifanaraka mantsy izy mirahavavy, araka ny hamarinin’ny Baiboly maoderina maromaro.—Prot., Kat., DIEM.