Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tabara

Tabara

(Tabàra).

1. Tendrombohitra niavaka tao amin’ny faritanin’i Isakara, teo amin’ny ilany avaratra tamin’ny sisin-taniny. (Js 19:17, 22) Jebel et-Tor no anarany amin’ny teny arabo, fa Har Tavôr kosa amin’ny teny hebreo. Tokotokony ho 20 km any andrefan’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasin’i Galilia izy io, ary 8 km eo ho eo any atsinanana atsimoatsinanan’ny tanànan’i Nazareta.

Tendrombohitra mitokana eo amin’ny Lohasahan’i Jezirela i Tabara, ary 562 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavony. Rehefa tazanina avy any andrefana avaratrandrefana izy io dia toy ny tendrombohitra tapa-doha, fa toy ny antsasaka baolina kosa rehefa tazanina avy any atsimoandrefana. Marin-tampona izy io, ary boribory somary lavalava io tampony io ka 0,4 km ny sakany avy any avaratra no mianatsimo ary avo roa henin’izay ny avy any atsinanana miankandrefana. Tena mahafinaritra be ny mitazantazana avy eny. Mahatalanjona ny fiteronteron’io tendrombohitra io, ka mety ho izay no nahatonga ny mpanao salamo hanonona an’i Tabara sy Hermona ho santionany amin’ny sangan’asa miavaka nataon’ny Mpamorona. (Sl 89:12) Noharin’i Jehovah tamin’ny fijoalajoalan’i Tabara irery teo amin’ny Lemak’i Jezirela koa ny fiavian’i Nebokadnezara, tamin’izy niditra tao Ejipta niaraka tamin’ny tafika lehibe.​—Je 46:13, 18.

Miteronterona eo amin’ny Lohasahan’i Jezirela ny Tendrombohitra Tabara

Ny tena nampahalaza an’i Tabara, dia tamin’i Baraka nasain’Andriamanitra nanangona lehilahy 10 000 avy amin’ny fokon’i Naftaly sy Zebolona mba hiady tamin’i Sisera sy ny tafiny. Nitondra kalesin’ady 900 “nisy lelan’antsy” ny tafik’i Sisera tamin’izay. Nirohotra nidina teo amin’ny tehezan’i Tabara i Baraka sy ny tafiny, rehefa nahazo famantarana. Nataon’i Jehovah nifanaritaka ny Kananita, ka nirifatra nandositra. Resin’ny Israelita tanteraka àry ny tafik’i Sisera.​—Mpts 4:4-16.

Taona maro tatỳ aoriana, dia novonoin’i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ny Midianina, tao Tabara ny rahalahin’i Gideona. (Mpts 8:18, 19) Tany antenatenan’ny taonjato fahavalo T.K., dia nolazaina fa “toy ny fandrika harato novelarina tao Tabara” ireo mpisorona sy ny ankohonan’ny mpanjakan’ny Israely nivadika. Tao amin’io tendrombohitra tany andrefan’i Jordana io angamba ny foiben’ny fanompoan-tsampy izay lasa fandrika ho an’ny Israelita. Mety ho i Mizpa kosa no foiben’ny fanompoan-tsampy tany atsinanan’i Jordana.​—Ho 5:1.

Ahatazanana tsara eny an-tampon’i Tabara, ka mety tsara ho an’ny tanàna voaro mafy. Porofoin’ireo sisan-javatra rava teo amin’io toerana io fa nisy tanàna voaro mafy tokoa teo, talohan’ny taonjato voalohany sy taorian’izay. Lasa tsy mitombina àry ilay lovantsofina hoe teny an-tampon’i Tabara no nitranga ilay fiovan-tarehin’i Jesosy. Tsy toerana nisy tanàna mantsy no resahin’ilay fitantarana. Voalaza fa nentin’i Jesosy “nitokana” irery teny an-tendrombohitra ny mpianany telo. Azo inoana kokoa hoe ny Tendrombohitra Hermona ilay ‘tendrombohitra avo’ resahin’ilay fitantarana, satria io no any akaikin’i Kaisaria-Filipo izay misy ny loharanon’i Jordana, ary tany i Jesosy taloha kelin’ny niovany tarehy.​—Mt 17:1, 2; Mr 8:27; 9:2.

2. Iray amin’ireo tanàna tao amin’ny faritanin’i Zebolona, ary nomena an’ireo Levita taranak’i Merary. Tsy fantatra izay toerana nisy azy io.​—1Ta 6:1, 77.

3. Toa tao amin’ny faritanin’i Benjamina no nisy an’ilay “hazobe ao Tabara.” Notononin’i Samoela izy io taorian’ny nanosorana an’i Saoly: Nilaza izy fa eo amin’io toerana io i Saoly no hifanena amin’ny olona telo lahy hankany Betela. Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy an’io toerana io.​—1Sa 10:1-3.