Tabata
(Tabàta).
Nandositra “hatrany amin’ny sisin’i Abela-mehola, any akaikin’i Tabata” ny Midianita, rehefa avy notafihin’ny tafik’i Gideona. (Mpts 7:12, 19-22) Misy milaza an’i Tabata ho i Ras Abou Tabat, tokotokony ho 5 km any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana ary 10 km any avaratr’i Sokota. Toa tany andrefan’i Jordana no nisy an’i Abela-mehola, izay voalaza fa tany “akaikin’i [“nifanatrika tamin’i”, JB] Tabata.”—Jereo ABELA-MEHOLA.