Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafika

Tafika

Fitambaran’ny miaramila voalamina sy voaofana hanao ady an-tanety. Tsavaʼ no teny hebreo adika matetika hoe “tafika”, ary mazàna izy io no manondro miaramila olombelona (No 1:3), anjely any an-danitra (1Mp 22:19), ary ireo zavatra eny amin’ny lanitra. (De 4:19) Ilazana “tafika” koa (2Sa 8:9; 1Ta 20:1) ny teny hebreo hoe hayil, izay azo inoana fa avy amin’ny fototeny midika hoe ‘maharitra.’ (Jb 20:21) Midika koa hoe “mahay tsara, hery, tsara toetra, fananana, harena” izy io. (1Ta 9:13; De 33:11; Oh 31:29; Is 8:4; Ezk 28:4) “Mpandroba” na ‘miaramila’ no hevitry ny teny hebreo hoe gedod. (2Sa 22:30; 2Ta 25:9) Teny grika efatra kosa no adika hoe “tafika” ao amin’ny Soratra Masina, ary avy amin’ny fototeny hoe stratôs ny telo aminy (stratia, strateoma, ary stratôpedôn). Matetika ny stratôs no manondro miaramila mitoby, fa tsy miaramila milahatra hiady. Mety ny handikana ny stratôpedôn hoe “miaramila mitoby” (Lk 21:20), satria midika hoe “tany” ny hoe pedôn. Midika ara-bakiteny hoe fizarazarana na fandaharana miaramila mba hiady ny teny grika hoe parembôle (avy amin’ny hoe para [eo akaiky] sy ballô [manipy]). Mety hidika hoe ‘tafika’, “toby miaramila”, na ‘toby’ izy io.​—He 11:34; As 21:34; Ap 20:9.

Efa hatramin’ny andron’i Abrahama ny mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristianina no nirotsaka tamin’ny ady. Namory ny tafiny, ohatra, i Abrahama rehefa naka babo an’i Lota zana-drahalahiny sy ny ankohonan’izy io i Kedorlaomera elamita sy ireo mpiray dina taminy. ‘Olona voaofana’, izany hoe “mpanompo valo ambin’ny folo sy telonjato”, sy ireo olona nanao fifanekena tamin’i Abrahama, no tao amin’ny tafiny. Nanenjika an’i Kedorlaomera hatrany Dana izy ireo, any amin’ny 200 km any avaratra avaratratsinanana. Nozarazarain’i Abrahama ny tafiny, ka nanafika izy ireo rehefa alina. Nampiasaina matetika izany tetikady izany fahiny.​—Ge 14:13-16.

Israelita. Niala tany Ejipta ny firenen’Israely, 400 taona taorian’izay. Maimaika be ny nialan’izy ireo tany, nefa voalamina tsara. “Nilahatra toy ny tafika” izy ireo tamin’izay, ary angamba nizara dimy: Ny teo afovoany, ny loha laharana, ny vodilaharana, ary ny sisiny roa. (Ek 6:26; 13:18) Nanenjika azy ireo ny tafika ejipsianina nisy ‘kalesy voafantina eninjato niaraka tamin’ny kalesy hafa rehetra tao Ejipta.’ Matetika no miaramila telo no tao amin’ny kalesy iray, ka ny iray namily ary ny roa niady. Azo inoana fa mpandefa zana-tsipìka ireo roa ireo, satria ny tsipìka no tena fitaovam-piadian’ny Ejipsianina. Nanaraka azy ireo ny miaramila mpitaingin-tsoavaly. (Ek 14:7, 9, 17) Toy izao ny tafika nanenjika ny Hebreo, araka ny voalazan’i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, II, 324 [xv, 3]): “Kalesy 600 sy mpitaingin-tsoavaly 50 000 ary miaramila 200 000 mandeha an-tongotra sy mirongo fiadiana.”​—Jereo MANAMBONINAHITRA LEFITRA.

Nirotsaka voalohany tamin’ny ady ny Israelita, tsy ela taorian’ny nanafahana azy ireo tany Ejipta. Nanafika azy ireo tao Refidima, tany akaikin’ny Tendrombohitra Sinay, mantsy ny Amalekita. Nasain’i Mosesy nanangana tafika haingana i Josoa, ary efa ho iray andro naninjitra izy ireo no niady. Nataon’i Jehovah nandresy ny Israely, na dia tsy zatra ady aza.​—Ek 17:8-14.

Herintaona teo ho eo taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta, dia nisaina ny vatan-dehilahy 20 taona no ho miakatra izay azo nalefa tao amin’ny tafika, ka 603 550 no tontaliny. (No 1:1-3, 45, 46) Nisaina indray izy ireo rehefa hifarana ny dia tany an-tany efitra, ka hita fa nihena ho 601 730. (No 26:2, 51) Tsy anisan’ireo ny Levita satria nomena alalana tsy hanao miaramila, ka nisaina nitokana.​—No 1:47-49; 3:14-39; 26:57, 62.

Nomena alalana tsy hanao miaramila. Nomena alalana tsy hanao miaramila koa 1) ny lehilahy “nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokana azy”; 2) ny “lehilahy nanao tanimboaloboka, nefa mbola tsy nisantatra ny vokatra avy aminy”; 3) ny “lehilahy manana fofombady nefa mbola tsy nampakatra azy”; 4) ny lehilahy vao avy nampaka-bady satria “tsy tokony handeha hiantafika” izy fa ho ao an-tranony mandritra ny herintaona; ary 5) ny “lehilahy kanosa na saro-tahotra.”​—De 20:5-8; 24:5.

Ny nandaminana ny tafika rehefa resy i Kanana. Tsy nilaina firy ny tafika lehibe rehefa nanorim-ponenana tao Kanana ny Israely. Ady sisin-tany sisa no nisy, ka izay foko voakasik’izany ihany no niady. Nanendry Mpitsara hitari-tafika i Jehovah rehefa nilaina ny tafika lehibe kokoa avy tamin’ny foko maromaro. Maro ny fomba niantsoana ny miaramila hiady. Teo, ohatra, ny fitsofana trompetra na anjombona, na nisy iraka nalefa, na nisy famantarana nalefa tany amin’ireo fokon’ny Israely mba hanentanana ny olona handeha hiady.​—No 10:9; Mpts 3:27; 6:35; 19:29; 1Sa 11:7.

Toa ny miaramila ihany no niantoka ny fitaovam-piadiany, ohatra hoe sabatra, lefona, pilotra, tsipìka, na zana-tsipìka. Izy ireo koa no nanao izay hahazoany sakafo. Izany no nahatonga an’i Jese handefa vatsy ho an’ireo zanany tao amin’ny tafik’i Saoly. (1Sa 17:17, 18) Nisy naningana anefa indray mandeha, satria ny 10 isan-jaton’ireo mpilatsaka an-tsitrapo no natokana haka vatsy ho an’ny hafa.​—Mpts 20:10.

Tao amin’ny tobin’ny Israely i Jehovah, ka tokony ho masina ny miaramila, sady hadio araka ny fombafomba takin’ny Lalàna. (De 23:9-14) Haloto mandra-paharivan’ny andro ny lehilahy nanao firaisana, raha ny Lalàna no jerena. Nitandrina àry i Davida sy Oria mba tsy hanao firaisana raha mbola namita iraka. (Le 15:16-18; 1Sa 21:1-6; 2Sa 11:6-11) Matetika ny tafiky ny firenena mpanompo sampy no nametaveta an’ireo vehivavy tao amin’ny tanàna babony. Tsy mba nanao toy izany kosa ny miaramilan’ny Israely. Tsy maintsy niandry iray volana izy ireo vao afaka nanambady vehivavy azo babo.​—De 21:10-13.

Marina fa i Jehovah no nahatonga ny Israely handresy, nefa nila nahay paikady ihany ireo voatendry ho mpitari-tafika sy lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato. Nasaina nampahery sy nanome toromarika ary nandrisika an’ireo miaramila ny mpisorona. (No 31:6, 14; De 20:2-4, 9) Izay notendren’i Jehovah no nitari-tafika, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Ny mpitsara koa no nametrapetraka ny tetikady sy ny paikady. Maro ny fomba nampiasainy: Nozarazaraina ny miaramila (natao telo toko, matetika), namely tampoka, niafina mba hanafika tampoka, nanafika nivantana, naka an’ireo toerana fiampitana renirano, sy ny sisa.​—Js 8:9-22; 10:9; 11:7; Mpts 3:28; 4:13, 14; 7:16; 9:43; 12:5.

Tamin’ny andron’ny mpanjaka. Tsy nahafa-po an’ireo Israelita ny Mpitsara voatendrin’Andriamanitra. Te ho “sahala amin’ny firenena rehetra” kosa izy ireo ka hanana mpanjaka handeha eo alohany sy hiady ho azy. (1Sa 8:20) Nampitandrina anefa i Samoela hoe tsy hiady irery ny mpanjaka toy izany, fa halainy ny zanak’izy ireo ka “hataony eny amin’ny kalesiny sy miaraka amin’ny mpitaingin-tsoavaliny, ary ny sasany hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny.” (1Sa 8:11, 12; jereo MPIHAZAKAZAKA.) Ny mpanjaka no filohan’ny tafika, ary nanarakaraka azy ny lehiben’ny tafika.​—1Sa 14:50.

Niovaova arakaraka izay nilaina ny hamaroan’ny miaramilan’i Saoly sy ny tanjaky ny tafiny. Nifantina 3000 lahy izy indray mandeha, ka ny 1000 nataony teo ambany fahefan’i Jonatana zanany. (1Sa 13:2) Nahatratra 330 000 kosa no novoriny, indray mandeha. (1Sa 11:8) Toa atody miady amim-bato ny tafiky ny Israely raha oharina amin’ny tafiky ny Filistinina, izay voalazan’ny Masoreta fa nanana kalesy 30 000 sy mpitaingin-tsoavaly 6000 ary olona “maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina”, toy ilay tao Mikmasy. “Tsy nisy nanana sabatra na lefona” ny Israely “tamin’ny andro niadiana”, afa-tsy i Saoly sy Jonatana.​—1Sa 13:5, 22.

Efa tena maro be sy nahay ny miaramila tao amin’ny tafiky ny Israely, nandritra ny fanjakan’i Davida. Nisy 300 000 mahery ny lehilahy vonona hiantafika, izay tonga tany amin’i Davida tany Hebrona mba hanolotra azy ny fanjakan’i Saoly. (1Ta 12:23-38) Nisy miaramila tsy Israelita koa anisan’ny tafik’i Davida.​—2Sa 15:18; 20:7.

Tsy dia nanova firy ny firafitry ny tafika i Davida: Mbola izy ihany no filohan’ny tafika, nanendry lehiben’ny tafika toa an’i Joaba sy Abnera ary Amasa izy, ary nataony nanarakaraka an’ireny ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato. (2Sa 18:1; 1Mp 2:32; 1Ta 13:1; 18:15) Nisy zava-baovao nataony ihany anefa: Nanangana antoko-miaramila 12 nisy miaramila 24 000 avy (mitontaly 288 000) izy. Nifandimby isam-bolana izy ireo, ka niasa iray volana isan-taona monja ny miaramila iray. (1Ta 27:1-15) Tsy iray foko daholo ireo miaramila 24 000 ireo, fa ny foko tsirairay kosa no nanolotra miaramila mba hiasa nandritra ny iray volana isan-taona.

Miaramila an-tsoavaly na nitondra kalesy. Haingam-pandeha sy mora nampiasaina ny kalesy (sarety fitondra miady) ka tena tian’ny Babylonianina sy ny Asyrianina ary ny Ejipsianina. Nanjary namantarana ny herin’ny tafik’ireo fanjakana matanjaka àry ny kalesy. Tsy nanana afa-tsy miaramila nandeha an-tongotra kosa i Davida, ilay mpitari-tafika nalaza indrindra teo amin’ny Israely. Sabatra sy lefona sy tsipìka ary pilotra no mba nentin’ny miaramilany. Tsaroany mantsy fa tsy nasain’i Jehovah niantehitra tamin’ny soavaly ny mpanjaka. (De 17:16; 20:1) Tadidiny koa fa ‘natsipin’i Jehovah tao an-dranomasina’ ny soavaly sy kalesin’i Farao (Ek 15:1, 4), ary nanokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra i Jehovah mba hopaohin’ny “riakan’i Kisona” ny “kalesin’ady sivinjato nisy lelan’antsy” nampiasain’i Sisera.​—Mpts 4:3; 5:21.

Notapahin’i Josoa ny hoza-tongotr’ireo soavaly azony tamin’ny fahavalony, ary nodorany ny kalesiny. Nataon’i Davida toy izany daholo koa ny soavaly azony tamin’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba, afa-tsy soavaly zato. (Js 11:6-9; 2Sa 8:4) Nilaza ny tononkira iray nataon’i Davida fa tia niresaka momba ny kalesin’ady sy ny soavaly ny fahavalony. “Izahay kosa”, hoy izy, “hiresaka momba ny anaran’i Jehovah Andriamanitray.” “Tsy azo antenaina hahazoana famonjena ny soavaly.” (Sl 20:7; 33:17) Hoy ny ohabolana: “Voaomana ho amin’ny andro fiadiana ny soavaly, fa avy amin’i Jehovah kosa ny famonjena.”​—Oh 21:31.

Niova tanteraka ny tafiky ny Israely rehefa nanjaka i Solomona. Nampitombo ny isan’ny soavaliny sy ny kalesiny izy, na dia azo lazaina ho nilamina aza ny fiainana nandritra ny nanjakany. (Jereo KALESY.) Novidina sy nohafarana avy tany Ejipta ny ankamaroan’ireny soavaly ireny. Voatery namorona tanàna maromaro nanerana an’i Israely izy mba hasiana an’ireo antoko-miaramila vaovao ireo. (1Mp 4:26; 9:19; 10:26, 29; 2Ta 1:14-17) Tsy notahin’i Jehovah mihitsy anefa izany fanovana nataon’i Solomona izany, ka nihena ny herin’ny tafiky ny Israely rehefa maty i Solomona, ary nizara ny fanjakana. Hoy i Isaia tatỳ aoriana: “Lozan’izay midina hitady fanampiana any Ejipta, sy miantehitra amin’ny soavaly, sy mitoky amin’ny kalesin’ady noho ny hamaroan’ireny, ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady satria tena mahery ireny. Tsy mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo, ary tsy mitady an’i Jehovah.”​—Is 31:1.

Rehefa nizara ny fanjakana. Nizara roa ilay fanjakana ka nifankahala foana ny Joda sy ny Israely. (1Mp 12:19, 21) I Abia no mpanjaka nandimby an’i Rehoboama tao Joda. Miaramila 400 000 fotsiny no tao amin’ny tafiny, fa i Jeroboama kosa nitondra miaramila avo roa heny, izany hoe, 800 000. Nandresy anefa ny fanjakan’ny Joda, “satria niantehitra tamin’i Jehovah” izy ireo. Nisy 500 000 no maty teo amin’ny Israely.​—2Ta 13:3-18.

Niady ireo foko teo amin’ny Israely, nefa mbola nankahala azy ireo koa ny firenena mpanompo sampy nanodidina azy. Tsy maintsy nanana tafika vonona lalandava ny Israely, satria nila ady taminy foana i Syria tany avaratra. (2Mp 13:4-7) Tsy maintsy nanohitra ny fanafihan’ireo firenena mpanompo sampy koa ny Joda. Nanafika an’i Joda i Ejipta, indray mandeha, ka naka babo betsaka. (1Mp 14:25-27) Niady tamin’ny Joda koa i Etiopia sy ny tafiny nisy miaramila 1 000 000 sy kalesy 300. Tsy nisy afa-tsy 580 000 ny miaramilan’i Asa Mpanjaka, nefa “nataon’i Jehovah resy” sy tsy nisy niangana ny Etiopianina, rehefa “niantso an’i Jehovah Andriamaniny” i Asa.​—2Ta 14:8-13.

Nanafika an’i Josafata ny Moabita sy ny Amonita ary ny Amonima. “Tapa-kevitra ny hitady an’i Jehovah” anefa izy na dia 1 160 000 aza ny isan’ny miaramilany. Nanome toky azy àry i Jehovah hoe: “Tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra.” (2Ta 17:12-19; 20:1-3, 15) Niavaka teo amin’ny tantara iny ady iny, satria mpihira voaofana no “nandeha teo alohan’ny miaramila”, ka nihira hoe: “Miderà an’i Jehovah.” Nifanjevo ny tafik’ireo fahavalo ka nifandringana.​—2Ta 20:21-23.

Romanina. Hafa mihitsy ny firafitry ny tafika romanina, fa tsy toy ny an’ireo firenena natanjaka talohany. Tombanana ho 300 000 ny miaramila romanina, nandritra ny fanjakan’i Aogosto. Ilay antsoina hoe “andian-tafika” no tena votoatin’ny tafika romanina. Andian-tafika lehibe sy nahaleo tena izy io, ary tafika feno mihitsy fa tsy antoko-miaramila nofanina manokana sy niankina tamin’ny tafika lehibe iray. Nifanampy ny andian-tafika indraindray rehefa niady, ka nanambatra ny heriny teo ambany fahefan’ny mpitarika iray. Andian-tafika efatra, ohatra, no nentin’i Titus nanao fahirano an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Andian-tafika iray anefa mazàna no namita asa iray. Nisy miaramila avy tany amin’ny faritra rehetra tao amin’ny fanjakana koa nanampy an’ireo anisan’ny andian-tafika. Nantsoina hoe auxilia izy ireny, ary tsy olom-pirenena romanina fa matetika no mpilatsaka an-tsitrapo avy teo an-toerana. Napetraka tany amin’ny sisin-tany izy ireny, ary ny andian-tafika no nanampy azy. Lasa olom-pirenena romanina ny miaramila anisan’ny auxilia raha niasa tsara.

Niovaova foana ny isan’ny andian-tafika: Nisy 25 na latsaka, ary nisy fotoana nahatratra 33. Niovaova koa ny isan’ny miaramila tao amin’ny andian-tafika iray: 4000 ka hatramin’ny 6000 teo ho eo. Matetika anefa no 6000 izany tamin’ny taonjato voalohany. Izany angamba no mahatonga ny Baiboly hampiasa ny hoe “andian-tafika” mba hilazana zavatra na olona maro be, izay tsy voafaritra ny isany. (Mt 26:53; Mr 5:9; Lk 8:30) Nanana ny lehibeny ny andian-tafika tsirairay, ary ny mpanjaka ihany no afaka nanao ampamoaka an’io lehibe io. Nisy mpitari-tafika enina atao hoe “mpifehy arivo” teo ambany fahefan’izy io.​—Mr 6:21; Jn 18:12; As 21:32–23:22; 25:23; jereo MPITARI-TAFIKA.

Nozaraina ho andia-miaramila folo ny andian-tafika iray. Izany no mahatonga ny Soratra Masina hiresaka momba ny “Andia-miaramila Italianina” sy “andia-miaramilan’i Aogosto.” (As 10:1; 27:1; jereo AOGOSTO, ANDIA-MIARAMILAN’I.) Nisy andia-miaramila dimy tao Kaisaria, rehefa maty i Heroda Agripa tamin’ny taona 44. Nizara ho antoko-miaramila 60 ny andian-tafika iray, ary mazàna no nisy miaramila 100 ny antoko-miaramila iray, izay nofehezin’ny lehiben’ny zato (na manamboninahitra, TV). Tena nilaina ireny manamboninahitra ireny, satria izy ireny no nampiofana ny miaramila. (Mt 8:5-13; 27:54; As 10:1; 21:32; 22:25, 26; 23:17, 23; 24:23; 27:1, 6, 11, 31, 43; jereo MANAMBONINAHITRA.) Nisy manamboninahitra ambony folo tao amin’ny andian-tafika tsirairay. Niaro ny mpanjaka izy ireny, namita iraka, ary indraindray namono an’izay voaheloka.​—Mr 6:27.

Samy nanana faneva na marika famantarana, nisy sarina voromahery na biby hafa, ny andian-tafika romanina. Nasiana sarivongan’ny mpanjaka teo amin’ireny faneva ireny, tatỳ aoriana. Nisy nifandraisany tamin’ny fivavahana izy ireny, ary noheverina hoe masina ka nivavahana. Narovana mafy izy ireny na dia mety hamoizana ny aina aza. Izany no nahatonga ny Jiosy hanohitra mafy ny hitondrana azy ireny tao Jerosalema.

Ireo fantatra ho Kristianina voalohany. Tsy neken’ny Kristianina voalohany ny hanao miaramila tao amin’ny tafika romanina, na andian-tafika izany na auxilia. Nihevitra mantsy izy ireo fa mifanohitra tanteraka amin’ny fampianaran’i Kristy izany. Hoy i Justin Maritiora tamin’ny taonjato faharoa, tao amin’ilay bokiny hoe “Resadresaka Tamin’i Tryphon Jiosy” (CX): “Tena niady sy nifamono ary nanao zava-dratsy isan-karazany izahay taloha. Samy nanova ny fitaovam-piadianay anefa izahay, na taiza na taiza nisy anay, ka ny sabatray novanay ho angadinomby, ary ny lefonay ho fitaovam-pambolena.” (Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, Boky I, p. 254) Nanao an’ilay asa soratra hoe “Ny Satroboninahitra, na De Corona” (XI) koa i Tertullien (t. 200) ka nofakafakainy hoe “mety amin’ny Kristianina ve ny miady.” Nohazavainy avy tamin’ny Soratra Masina fa ny fiainana miaramila fotsiny aza dia efa tsy mety. Hoy izy avy eo: “Tsy avelako hisy hanana fiainana miaramila mihitsy eto aminay.”​—Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, 1957, Boky III, p. 99, 100.

‘Hita tamin’ny fanazavana rehetra momba ny Kristianina fa tsy nisy tamin’izy ireo nanao miaramila, hatramin’ny andron’i Marc Aurèle [taona 121-180]; ary tsy nisy miaramila mbola nijanona ho miaramila, rehefa lasa Kristianina.’ (Ny Fandrosoan’ny Fivavahana Kristianina, nataon’i E. Barnes, 1947, p. 333) “Asehon’ny porofo fa azo lazaina hoe tsy nisy Kristianina miaramila mihitsy, teo anelanelan’ny taona 60 sy 165 tany ho any; ... hatramin’ny andro nanjakan’i Marc Aurèle, fara faharatsiny, dia tsy nisy Kristianina vita batisa lasa miaramila.” (Ny Fiangonana Voalohany sy Izao Tontolo Izao, nataon’i C. Cadoux, 1955, p. 275, 276) “Nohamafisin’ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato faharoa fa mifanipaka amin’ny fampianarana kristianina ny fanaovana miaramila.” (Famintinana ny Tantaran’i Roma, nataon’i G. Ferrero sy C. Barbagallo, 1919, p. 382) “Samy hafa be ny Romanina sy ny Kristianina. ... Tsy nanaiky hanao miaramila ny Kristianina satria i Kristy nitory momba ny fihavanana.” (Ny Tontolontsika Arakaraka ny Fandehan’ny Fotoana, nataon’i N. Platt sy M. Drummond, 1961, p. 125) “Nihevitra ny Kristianina voalohany hoe tsy mety ny miady, ka tsy nanao miaramila izy ireo na dia nila miaramila aza ny fanjakana.” (Tontolo Tranainy: Fototry ny Tontolo Vaovao, nataon’i R. sy W. West, 1929, p. 131) “Tsy nety nitana toerana ara-politika ny Kristianina sady tsy nety nanao miaramila.” (Sasin-teny ao amin’ny “Fanenjehana ny Kristianina tany Gaule, taona 177”, nalaina tao amin’ilay boky hoe Zava-nitranga Niavaka Nangonin’ny Mpahay Tantara Malaza, nataon’i R. Johnson, 1905, Boky III, p. 246) “Nampianatra izy ireo [ny Kristianina] hoe ilaina foana ny mankatò. Na izany aza, dia tsy nety nitsabaka tamin’ny raharaham-panjakana izy ireo na nanao miaramila hiaro ny fanjakana. ... Tsy afaka ny ho miaramila na ho tompon’andraiki-panjakana na ho andriana ny Kristianina, raha tsy efa niala tamin’ny andraikitra masina kokoa.”​—Nitotongana sy Nirodana ny Fanjakana Romanina, nataon’i Edward Gibbon, Boky I, p. 416.

Any an-danitra. Ilazana zavatra maro be sy milamina tsara ny hoe tafiky ny lanitra. Matetika izy io no manondro ireo anjely maro be eo ambany fahefan’i Jehovah. Ilazana ny kintana koa anefa izy io. (Ge 2:1; Ne 9:6) Miseho in-283 ny hoe “Jehovah Tompon’ny Tafika” ao amin’ny Soratra Hebreo, ka ao amin’ny 1 Samoela 1:3 ny voalohany. Miseho indroa kosa ilay teny mifanitsy aminy ao amin’ny Soratra Grika. (Ro 9:29; Jk 5:4; jereo JEHOVAH TOMPON’NY TAFIKA.) Teny toy ny hoe “andian-tafika”, ‘kalesin’ady’, ‘mpitaingin-tsoavaly’ no ampiasaina rehefa miresaka momba ireo anjely mpiady. (2Mp 2:11, 12; 6:17; Mt 26:53) Tsy hita maso ny tafik’i Jehovah, ary tena lehibe satria misy kalesin’ady ‘an’aliny, eny, arivoarivo.’ (Sl 68:17) Tsy mety resy mihitsy izy ireo. Niseho tamin’i Josoa ilay “lehiben’ny tafik’i Jehovah”, izay nitana sabatra efa voatsoaka tao anaty tranony. Nanazava ny fomba handresena an’i Jeriko izy. (Js 5:13-15) Nahafaty Asyrianina 185 000 tao anatin’ny indray alina monja ny anjely iray tao amin’ny tafiky ny lanitra. (2Mp 19:35) Nanipy an’i Satana sy ny demoniany tetỳ an-tany i Mikaela sy ny anjeliny, rehefa nisy ady tany an-danitra. (Ap 12:7-9, 12) Tsy hisy ho afa-mandositra, rehefa hanaraka an’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” ireo ‘tafika any an-danitra’ mba handringana an’ilay “bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny.” (Ap 19:14, 16, 19, 21) Hampiasa an’io tafiny mahery tsy hita maso io koa i Jehovah amin’izay, mba hiarovana ny mpanompony tsy mivadika eto an-tany.​—2Mp 6:17; Sl 34:7; 91:11; Da 6:22; Mt 18:10; As 12:7-10; He 1:13, 14.

Jereo koa ADY, II; FIADIANA, FITAOVAM-PIADIANA; MIARAMILA.