Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahotra

Tahotra

Amin’ny ankapobeny ny hoe matahotra dia manahy sao hisy loza na zava-dratsy hitranga. Matetika ny olona matahotra no mitebiteby, mitaintaina, mihorohoro, ary mangitakitaka. Mety ho tony koa anefa izy. Ny hoe matahotra mantsy dia mety hidika koa hoe mieritreritra mialoha sao misy loza na zava-dratsy hitranga, ka mandinika tsara sy mitandrina ary mamantatra izay tokony hatao.

Matetika no adika hoe tahotra ilay anarana hebreo hoe pahad (matoanteny pahad). Manana heviny hoe zavatra mampangovitra io anarana io, amin’ny ankapobeny. (Ampit. Mi 7:17.) Io teny hebreo io no ampiasaina ao amin’ilay hoe “zava-mampahatahotra amin’ny alina.” Tsy inona izany fa izay mahatonga tahotra na horohoro mafy amin’ny alina, ohatra hoe mpangalatra na bibidia mpiremby manafika tampoka.​—To 3:8.

Mbola io teny hebreo io koa no nampiasain’i Jakoba tamin’izy niantso an’ilay Mahery Indrindra hoe “ilay Atahoran’i Isaka.” Sady nanaja no natahotra an’Andriamanitra mantsy i Isaka rainy, izany hoe natahotra sao hanao zavatra tsy ankasitrahany. Nitovy hevitra tamin’ny rainy i Jakoba, matoa nianiana koa “tamin’ilay Atahoran’i Isaka rainy.”​—Ge 31:42, 53.

Tsy te hanao zavatra tsy ankasitrahan’i Jehovah ny olona matahotra azy. Mahasoa io tahotra io, ary tena ilaina raha te ho mpanompon’i Jehovah foana ilay olona. Natahotra an’i Jehovah, ohatra, i Joba, ka izany no nanampy azy tsy hanan-tsiny sy ho marina. (Jb 1:1; 23:15; 31:23) Natahotra an’i Jehovah koa ny mpanao salamo ka nanao izay nankasitrahany foana na dia nanenjika azy aza ny andriana. (Sl 119:120, 161) Nampirisihin’i Josafata ireo voatendry ho mpitsara mba hatahotra an’i Jehovah ka tsy hiangatra fa hitsara ara-drariny.​—2Ta 19:5-7.

Tsy tokony hatahotra olona na hatahotra an’izay mety hataon’ny olona aminy ny vahoakan’i Jehovah, satria i Jehovah no Mpiaro sy Mpamelona azy ireo. Raha raiki-tahotra mantsy izy ireo, dia mety hilefitra na dia zava-dratsy aza no asain’ilay olona hataony. (Sl 27:1; 78:53; 91:2-5; Is 12:2) Na miaro ny mpanompony aza anefa i Jehovah, dia tsy midika izany hoe tsy misy mijaly izy ireo eto amin’ity tontolo ity. Mety hampahonena na hahantra mihitsy aza izy ireo indraindray, ka toa tsy ho tafavoaka no fahitana azy. Manalavitra azy ireo àry ny olona tsy manam-pinoana, satria matahotra sao ho lasa tahaka azy ireo. (Sl 31:11) Tsy azon’izy ireny anefa fa miahy ny mpanompony foana i Jehovah, ary tsy hahafoy azy ireo.​—Sl 27:10; 94:14.

Tsy matahotra an’Andriamanitra mihitsy ny ratsy fanahy matoa mikiry manao ratsy. (Sl 36:1-4) Tsy maintsy ho raiki-tahotra anefa izy ireo rehefa ho tonga ny loza hanjo azy noho ny nanaovany tsinontsinona ny fahendren’Andriamanitra.​—Oh 1:26, 27.

Rehefa nivadika ny Israelita, dia nihorohoro andro aman’alina ary tsy nanampo izay ho velona intsony, satria tsy niaro azy ireo intsony i Jehovah. Tsy afa-nandositra ny loza vokatr’izany izy ireo. (De 28:66, 67; Is 24:17-20; 33:14; Je 30:5; Ft 3:47) Tsy voatery hatahotra an’izany loza izany kosa izay manao zavatra mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra ka manaja sy matahotra foana an’ilay Mpamorona.​—Oh 1:33; 3:24, 25; 28:14.

Raiki-tahotra ny olona mahita ny hery lehibe ampiasain’i Jehovah mba hanampiana ny mpanompony sy hanehoana ny fankasitrahany azy ireo. (2Ta 17:10; Sl 53:5; 105:38; Is 19:16, 17; Je 33:9) Nanampy ny Israelita, ohatra, izy ka nahazo fandresena niezinezina izy ireo, ary nihorohoro ny fahavalo vokatr’izany. (De 11:25; 1Ta 14:17; 2Ta 14:12-14; 20:29) Raiki-tahotra koa ny fahavalon’ny Jiosy tamin’ny andron’i Mordekay sy Estera rehefa nampian’i Jehovah ny Jiosy ka nivadika ny rasa, ary ny Jiosy indray no nahery. (Es 8:17; 9:2, 3) Nanjary natahotra sy nankatò koa, ohatra, ny Israelita rehefa nahita fa nomen’Andriamanitra herim-po sy tanjaka i Saoly Mpanjaka. Rehefa nodidian’i Saoly hiaro an’i Jabesi-gileada àry izy ireo, dia “natahotra mafy an’i Jehovah” ka niray hina “toy ny olona iray” ihany.​—1Sa 11:7.

Efa nolazain’i Jehovah mialoha fa handresy an’i Babylona i Kyrosy ka tsy tokony haharaiki-tahotra an’ireo Israelita io fisehoan-javatra lehibe io. Tsy haharaiki-tahotra azy ireo intsony mantsy ny fahatezeran’ny Babylonianina. Ireo mpanamboatra sampy kosa no tokony ho raiki-tahotra, satria tsy nisy afaka namonjy an’i Babylona ny sampin’izy ireo.​—Is 44:8-11, 24-28; 51:12, 13.

Eo koa ilay teny hebreo hoe kots. Nadika hoe “raiki-tahotra mafy” ny endriny hafa amin’izy io (Ek 1:12; No 22:3; Is 7:16), ary matetika izy io no midika hoe “maharikoriko.”​—Jereo ZAVA-MAHARIKORIKO.

Fahatsapana tahotra sy fanajana. Mety hidika hoe matahotra ka manjary manaja ny matoanteny hebreo hoe yareʼ (Le 19:30; 26:2) sy ʽarats (Sl 89:7; Is 29:23; 47:12). Tsy fanajana fotsiny na tahotra fotsiny no hevitr’ireo teny hebreo ireo, fa ny fiarahan’ireo fihetseham-po roa ireo, ka indraindray ny fanajana no tena asongadina, ary indraindray kosa ny tahotra. Matetika ilay matoanteny hoe ʽarats no midika hoe mihorohoro, matahotra, na manaja fatratra, na mampangovitra.​—Is 8:12; Sl 10:18.

Niteraka tahotra sy fanajana teo amin’ny Israelita ny nahitany ny porofon’ny fanatrehan’i Jehovah. Nivory teo amin’ny Tendrombohitra Sinay izy ireo tamin’izay, ary nahita rahona mainty nidina teo amin’ilay tendrombohitra, sady narahin-kotroka sy tselatra, ary feon’anjombona nihamafy. Nihovotrovotra ilay tendrombohitra manontolo sady nidona-tsetroka. Hitan’ny Israelita fa mahery Andriamanitra ka natahotra izy ireo, ary nangovitra hatramin’i Mosesy. Nampiharihary ny voninahitr’i Jehovah izany zava-nitranga izany, ary natao mba hahatonga ny Israelita hatahotra azy ka tsy hanota.​—Ek 19:9, 16-19; 20:18, 20; He 12:21.

Nahazo fahitana i Ezekiela mpaminany ary niteraka tahotra sy fanajana tao aminy izany. Nahita hoatran’ny zavatra fisaka lehibe izy, ary teo ambonin’izy io ny voninahitr’i Jehovah. Toy ny ranomandry nanjelanjelatra sy nampitolagaga no fahitana an’io hoatran’ny zavatra fisaka lehibe teo amin’ny kalesin’i Jehovah tany an-danitra io. Nisy zavamananaina niendrika kerobima terỳ ambanin’izy io. Nampitolagaga ny habe sy ny paozin’izy io. Tantera-pahazavana izy io, ka zavatra toy ny seza fiandrianana vita tamin’ny vato safira no tazana teo amboniny. Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana dia namirapiratra mavomavo hoatran’ny metaly nanjelatra tao anaty afon’ny mpandrendrika metaly. Namirapiratra toy izany koa ny nanodidina azy. Rehefa nahazo an’io fahitana ny voninahitr’i Jehovah io i Ezekiela, dia niankohoka ho mariky ny fanompoany sy ny fanajany azy.​—Ezk 1:15-22, 25-28.

I Jehovah irery ihany no mendrika hatahorana sy hohajaina toy izany. Izany no mahatonga ny olona haniry hanompo azy. (Sl 89:7; Is 29:23) Ampirisihina ny Kristianina mba hanao “fanompoana masina ho an’Andriamanitra ... amin-tahotra sy amim-panajana [endriny hafa amin’ny teny grika hoe deôs].” (He 12:28) Hita hoe manana an’io tahotra sy fanajana io ny mpanompon’Andriamanitra raha miezaka mafy ny hampifaly azy, ka miaiky fa mbola hataon’Andriamanitra ampamoaka ny olona rehetra, ary hotsarainy amin’ny fomba tsy miangatra.​—1Pe 1:17; Ap 14:7.

Indraindray koa misy olona na firenena manao izay hampahatahotra na hampitolagaga ny hafa, na fanahy iniana izany na tsia. Lasa mahatsapa tahotra sy fanajana àry izay mahita azy. Tena nampiaiky an’i Solomona Mpanjaka, ohatra, ilay tovovavy solemita ka niloa-bava mihitsy izy hoe: ‘Mahatalanjona [heb.:ʼayôm] ianao, toy ny andian-tafika manodidina ny saina’, izany hoe toy ny tafika vonon-kiady. (To 6:4, 10) Nampihorohoro koa ny Kaldeanina rehefa nandeha niantafika. (Ha 1:6, 7) Naminany i Isaia, ka nilaza fa nasaina hampiasa ozona famosaviana sy hilalao ody i Babylona mba hampitahorana (heb.: ʽarats) an’ireo hiady aminy, ka hiarovany ny tenany tsy ho azon’ny loza. Tsy hahasakana ny mpanafika mihitsy anefa i Babylona. (Is 47:12-15) Tsy maintsy ho resin’ny tafika notarihin’i Kyrosy Persianina izy.​—Is 44:24–45:2.

Niavaka ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Mosesy sy ny fomba nifandraisany taminy, ka izany no nahatonga an’i Mosesy hahavita zava-mampahatahotra (heb.: môhraʼ) teo imason’ny vahoakan’Andriamanitra. (De 34:10, 12; Ek 19:9) Natahotra an’i Mosesy sy nanaja ny fahefany ireo nanam-pinoana. Fantatr’izy ireo mantsy fa niteny tamin’ny alalany Andriamanitra. Tsy maintsy nanaja (heb.: yareʼ) ny toerana masin’i Jehovah koa ny Israelita. (Le 19:30; 26:2) Midika izany fa tokony hanaraka izay natoron’i Jehovah izy ireo rehefa nanompo azy na nivavaka taminy, ary tokony hifanaraka amin’ny fitsipiny rehetra ny fitondran-tenan’izy ireo.

Inona no atao hoe matahotra an’i Jehovah?

Milaza ny Baiboly fa misy tahotra tokony hananana sy tsy tokony hananana. Mety hahasoa àry ny tahotra raha mandrisika ny olona hitandrina rehefa misy loza mananontanona. Mahatonga an’ilay olona hisoroka loza izany. Mety tsy hahasoa kosa ny tahotra raha mahatonga ny olona ho very fanantenana sy ho rera-tsaina tanteraka ary ho faty mihitsy. Mahasoa ny tahotra an’Andriamanitra. Mandrisika antsika hanaja lalina ny Mpamorona sy hanome voninahitra azy izy io, ary mahatonga antsika hitandrina mba tsy hanao zavatra mahatezitra azy. Matahotra ny tsy hampifaly an’Andriamanitra isika, satria ankasitrahantsika ny hatsaram-panahiny feno fitiavana sy ny toetra tsara ananany, ary ekentsika fa izy no Mpitsara Fara Tampony sady Andriamanitra Mahery Indrindra, izay manana fahefana hanasazy na handringana an’izay tsy mankatò azy.

Izany karazan-tahotra izany no atao hoe tahotra an’i Jehovah Andriamanitra ary tokony hananan’izay te hanompo azy. Izany no “fiandoham-pahendrena.” (Sl 111:10; Oh 9:10) Tsy mampijaly sady tsy misy voka-dratsiny izany tahotra izany. “Madio ny fahatahorana an’i Jehovah.” (Sl 19:9) Toy izao no anazavan’ny Ohabolana 8:13 ny dikan’io tahotra io: “Midika ho fankahalana ny ratsy ny fahatahorana an’i Jehovah.” Misakana ny olona tsy hanao ratsy izy io, satria “ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.”​—Oh 16:6.

Tsy nanana an’io karazan-tahotra io i Adama sy Eva ka tsy nankatò an’Andriamanitra. Nanjary nahatsapa tahotra nampihorohoro àry izy ireo vokatr’izany, ka niafina an’Andriamanitra. Hoy i Adama: “Reko tokoa ny feonao tato amin’ny zaridaina, saingy natahotra aho.” (Ge 3:10) Tahotra toy izany koa no tsapan’i Kaina zanak’i Adama, rehefa avy namono an’i Abela rahalahiny izy. Mety ho izany tahotra izany no nahatonga azy ho tapa-kevitra hanorina tanàna.​—Ge 4:13-17.

Ampirisihina hatahotra an’Andriamanitra ny Kristianina ao amin’ny Hebreo 12:28. Izao no voalaza ao: “Aoka hohazonintsika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izay entintsika manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany, amin-tahotra sy amim-panajana.” Nampirisika ny olona hatahotra an’Andriamanitra koa ny anjely iray nanidina teny afovoan’ny lanitra sady nanana vaovao tsara mandrakizay hotorina. Hoy izy: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy.” (Ap 14:6, 7) Nanazava i Jesosy, ao amin’ny Matio 10:28, fa tokony hatahotra an’Andriamanitra ny Kristianina fa tsy hatahotra olona. Hoy izy: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.” Nanoro hevitra ny Kristianina koa izy ao amin’ny Apokalypsy 2:10 hoe: “Aza matahotra an’izay fijaliana efa hiaretanao.” Raha tena tia an’i Jehovah àry isika, dia tsy ho kanosa sy tsy ho resin’ny tahotra olona, ka tsy ho voatarika handika ny fitsipik’Andriamanitra.

Mahasoa ny tahotra raha mahatonga ny Kristianina hanaja ny manam-pahefana. Fantatry ny Kristianina mantsy fa fomba iray ampiharan’Andriamanitra ny fahatezerany ny sazy ara-drariny omen’ny manam-pahefana an’izay manao ratsy.​—Ro 13:3-7.

Nilaza mialoha i Jesosy fa hanjaka eran-tany ny tahotra, amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Nilaza mantsy izy fa hisy “zavatra mampahatahotra” amin’izay fotoana izay, ary “hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana.” (Lk 21:11, 26) Hatahotra ny ankamaroan’ny olona, fa ny mpanompon’Andriamanitra kosa tokony hanaraka an’ilay toro lalana ao amin’ny Isaia 8:12 hoe: ‘Aza matahotra an’izay zavatra atahorany.’ Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Fa Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina.”​—2Ti 1:7.

Hoy ny olon-kendry iray, rehefa avy nandinika tsara ny olombelona sy ny asa fanaony ary izay manjo azy ireo: “Izao no famaranan-teny rehefa re izany rehetra izany: Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny, fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.”​—Mpto 12:13.

Matahotra olona ny biby. Voalazan’ny Genesisy 9:2 fa “hatahotra” olona ny biby rehetra. Hoy Andriamanitra tamin’i Noa sy ny zanany lahy: “Mbola hatahotra sy hihorohoro noho ny aminareo foana ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany.” Natahotra an’i Noa sy ny fianakaviany ireo biby sy vorona tao anatin’ny sambofiara, ka izany no nanampy an-dry Noa hifehy azy ireo nandritra ilay herintaona nijanonan’izy mianakavy tao. Rehefa nivoaka ny sambofiara izy ireo taorian’ny Safodrano, dia nanome toky an’i Noa i Jehovah fa mbola hatahotra olona ihany ny biby. Manamarina izany ny zavatra niainan’ny Dr. George Goodwin, tompon’andraikitra lefitra ao amin’ny Tranombakoka Amerikanina Momba ny Fandinihana Zavaboary (sampana momba ny biby mampinono). Hoy izy: “Tsy mamely olona ny leopara, raha ny tokony ho izy. Mety hamely olona sy hiady ihany anefa izy, raha ankasiahana na maratra.” Toy izany koa ny bibilava misy poizina sy malaza ho masiaka, toy ny mamba atsy Afrika sy ny mpanjakan’ny kôbrà. Raha tsy atao na inona na inona izy ireny, dia hiala moramora fotsiny rehefa mahita olona, fa tsy hamely. Marina fa nanjary nasiaka ny biby sasany noho ny nataon’ny olona, nefa mbola hita foana fa matahotra olona ny biby amin’ny ankapobeny, ka tsy sahy mamely azy. Manamarina izany ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 1:26-28 izay milaza fa efa hatramin’ny namoronana azy ny biby no natao hanaiky ny olona.