Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taim-boromailala

Taim-boromailala

Mafy ny mosary tao Samaria noho ny fahirano nataon’i Beni-hadada mpanjakan’i Syria, ka “lasa farantsa volafotsy valopolo ny vidin’ny lohan’ampondra iray, ary farantsa volafotsy dimy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba.” (2Mp 6:24, 25) Tokotokony ho 176 dolara (raha sekely ilay “farantsa volafotsy”) ny vidin’ny lohan’ampondra, ary 11 dolara eo ho eo “ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba [0,3 L].” Biby maloto ny ampondra araka ny Lalàn’i Mosesy ary zara raha nisy nofony ny lohany, nefa lasa lafo be satria tsy nisy ny sakafo. Lafo be koa ny taim-boromailala. Niteraka adihevitra be ny hoe ara-bakiteny ve sa tsia ilay taim-boromailala, ary nampiasaina hanaovana inona ilay izy.

Misy milaza fa mety ho zavamaniry ilay “taim-boromailala.” Tsy misy porofo anefa hoe nantsoina toy izany ilay zavamaniry resahin’izy ireo, ary tsy hay akory raha afaka nahita azy io ireo natao fahirano tao Samaria.

Tena taim-boromailala ilay izy, hoy ny olona sasany, saingy tsy miray hevitra izy ireo ny amin’ny fomba nampiasana azy. Ao no miteny hoe natao zezika ilay izy, satria efa izay, hono, no fanaon’ireo mpamboly karazana voanketsihetsy tany Israely sy ny firenena manodidina. Sarotra inoana anefa hoe mbola hiasa saina amin’ny voly ny olona efa ho faty mosary, nefa afaka volana maromaro vao mety hisy vokatra. Izay azony nohanina teo no ho eo kosa no notadiaviny.

Maro àry no mino fa natao sakafo ilay taim-boromailala. Mafy loatra mantsy ny mosary tamin’izay, ka nahavita zavatra tsy noeritreretina ho vitany ny olona. Mety ho nisy, ohatra, ‘nihinana ny tainy sy nisotro ny amaniny’, na dia fampitahorana fotsiny aza ny an’i Rabsake manamboninahitra nirahin’i Sankeriba, ary tafahoatra sady nahatsiravina ny fandrahonany hoe hanao toy izany ny mponin’i Jerosalema raha ataon’i Asyria fahirano. (2Mp 18:27, f.a.p.) Maharikoriko ny mieritreritra hoe hihinana dikin’olona, nefa mety ho tena nitranga izany. Vonona hihinana an’izay rehetra hitany koa ny vehivavy maty mosary tany Samaria, matoa nisy nahavita nahandro sy nihinan-janaka. (2Mp 6:26-29) Misy milaza fa zara raha misy otrikaina ny taim-boromailala. Tsy nahasakana ny olona tsy hividy azy io anefa izany. Tsy misaina tsara intsony mantsy matetika ny olona maty mosary, fa haniny daholo izay hitany mba hampitonena ny hanoanany.

Mety hitombina kokoa anefa ny fanazavan’ny raby sasany hoe natao kitay ilay taim-boromailala. Mitovitovy amin’izany ny nataon’i Ezekiela mpaminany. Diky no nasaina nataony kitay handrahoana sakafo, mba hampisehoana fa ho mafy be ny fahirano tao Jerosalema. (Ezk 4:12-17) Mbola atao kitay ny tain’omby maina any amin’ny faritra maro hatramin’izao. Raha toy izany koa no nampiasana ny taim-boromailala, dia mety ho ny vidin’ny sakafo (lohan’ampondra) sy ny kitay nandrahoana azy fotsiny no resahin’ny 2 Mpanjaka 6:25. Taorian’izay vao nihinana olona ny vahoaka, araka ny andininy manaraka.